Ny fiteny hasanià na fiteny hasany na fiteny arabo maoritaniana, na fiteny hasaniana dia fitenim-paritra arabo ampiasaina any Maoritania, any amin' ny tapany atsimon' i Marôka, ao amin' ny tanin' i Sahara Andrefana, ao amin' ny ampahany amin' i Sahara Alzeriana, any amin' ny faritra sasany any Senegaly, any amin' ny tapany avaratr' i Maly sy amin' ny tapany andrefan' i Nizera. Amin' io faritra ara-jeôgrafia miitatra io, io no fitenin' ny vahoaka maora, avy amin' ny Arabo na avy amin' ny Berbera nandray kolontsaina arabo. Fitenim-paritry ny Bedoina tao amin' ny foko arabon' ny Banu Hassan tany am-boalohany, dia niharan' ny fiteny arabo an-tsoratra izy io ary, amin' ny lafiny kely kokoa, ny fiteny zenaga (fiteny berbera tranainy ampiasaina any Maoritania).