Ny Arameana na Aramiana dia vahoaka niaina tao Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha, izay nonina tao amin' ny faritra Siria sy Mesôpôtamia tamin' ny taonarivo voalohany tal. J.K. Maro ny fanjakana arameana madinika izay nandroso tamin' ny taonjato faha-11 hatramin' ny faha-10 tal. J.K., nandritra ny fiandohan' ny Andron' ny Vy. Tsy mba nanana kolontsaina na fanjakana miray anefa ny Arameana. Teo an-tenantenan' ny taonarivo voalohany tal. J.K. izy ireo dia lasa maro anisa tao amin' ny mponin' i Asiria sy i Babilônia ka nahatonga ny fiteny arameana hiely manerana ny faritra Atsinanana Akaiky tamin' ny Andro Taloha.

Amin' ny teny arameana taloha izy ireo dia atao hoe 𐤀𐤓𐤌𐤉𐤀; fa amin' ny teny hebreo dia אֲרַמִּים ary amin' ny teny grika kosa dia Ἀραμαῖοι / Aramaîoi ary amin' ny teny siriaka dia ܐܪ̈ܡܝܐ / Ārāmāyē.