Saladin
|
Anarana:
|
Saladin
| Anarana hafa: |
| Teraka:
|
1 Janoary 1138
| Maty:
|
4 Martsa 1193
| Toeram-piaviana sy ny andraikitra
| Firenena: |
Iraka
| Karazana: |
| Asa :
|
| Asa hafa: |
| Taona niasana:
|
| Momba fiainana manokana
| Seha-pitiavana: |
| Tranokala: |
| Momba ny olona
|
|
I Saladin na Salah al-Din no soltana voalohany tao amin' ny dinastia aiobida, avy amin' ny foko korda, izay nanapaka an' i Egipta tamin' ny taona 1169 hatramin' ny 1193, an' i Damaskôsy tamin' ny taona 1174 hatramin' ny 1193 ary an' i Alep tamin' ny taona 1183 hatramin' ny 1193. Ny dinastia aiobida dia nanapaka an' i Egipta tamin' ny taona 1169 hatramin' ny 1250 sy an' i Siria tamin' ny taona 1174 hatramin' ny 1260. Ny anaran-drainy atao hoe Najm al-Dīn Ayyūb no niavian' io anaran' io dinastia io. Teraka tamin' ny 1138 tao Tikrit i Salah al-Din ary maty tamin' ny 4 Martsa 1193 tao Damaskosy. Atao hoe صلاح الدين يوسف / Ṣalāḥ ad-Dīn Yūsuf izy amin' ny teny arabo fa سەلاحەدینی ئەییووبی / Selahedînê Eyûbî kosa amin' ny teny korda.
Ny fiainany manokanaHanova
I Najm ad-Din Ayyub no rainy. Ny vadiny dia Ismat ad-Din Khatun. Ny zanany dia Al-Afdal ibn Salah ad-Din, Al-Aziz Uthman, Az-Zahir Ghazi. Ny rahalahiny sy/na ny rahavaviny dia Turan-Shah.