Asorotà (sikidy)
Ny Asorotà na Asorotany, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahatelo ambin' ny folo, anisan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahatelo sy ny an' ny Bilady ny Asorotà, izay manondro ny fanahin' ny havana efa maty na razana.
Fanasokajiana
hanovaAnisan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, ny Asorotà.
Fahazoana ny Asorotà
hanovaMisy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Asorotany: misy "lohany" sy "tratrany" sy "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny tsanganana Lalana no ahazoana ny tsanganana Asorotà na Asorotany: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Fahatelo sy ny an' ny Bilady, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.
Fampifanampiana ny soratry ny Asorotà
hanovaApetraka somary ankavia kokoa eo ambanin' ny fàfana misy ny renin-tsikidy, eo ankavanan' ny Lalana, ny Asorotany nefa atao misy elanelana izy ireo mba hanatsofohana ny tsanganana Tovolahy (tsanganana faha-14). Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Asorotà sy Lalana no ahazoana ny tsanganana Tovolahy.
Hevitry ny hoe Asorotà
hanovaNy Asorotà dia manondro ny fanahin' ny havana efa maty na razana. Ny Asorotany dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny sora-tsikidy miseho ao amin' ny Asorotà no manambara ny mombamomba ny fanahin' ny havana efa maty na razana.
Jereo koa
hanovaTahirin-kevitra azo anovozana
hanovaBoky
hanova- Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
- Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
- Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
- Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
- Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
- Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
- Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.
Rohy ivelany
hanova- La divination sikidy à Madagascar Archived Janoary 30, 2020 at the Wayback Machine ()
- "Sikidy", Anthropomada.com
- Skinner, Stephen (1980-01-01). Terrestrial astrology: Divination by geomancy (PDF) (1st ed.). London ; Boston: Routledge & Kegan Paul.
- "Ny sikidy (PDF)", madarevues.recherches.gov.mg
- Jean François Rabedimy sy Etienne Razafindehibe, Cours N°1 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°2 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°3 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°4 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- J. F. Rabedimy, "Pratique de divination à Madagascar (PDF)" Archived Mey 18, 2024 at the Wayback Machine, madadoc.irenala.edu.mg