Ny Fahatelo, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahatelo, iray amin' ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony sy laharana fahatelo avy ankavanana ao amin' ny fàfana itambaran' ny tsanganan-tsikidy rehetra. Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fahatelo, izay ilazana ny rahalahy na ny olona tsy manatrika eo amin' ny fisikidiana nefa resahina, na ny olon-kafa.

Fanasokajiana

hanova

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fahatelo, ka ny tsanganana, izay samy renin-tsikidy, eo alohany (ankavanany) dia ny Tale sy ny Maly, ary ny hafa manarakarala azy (eo ankavia) dia ny Bilady, ny Fianahana, ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (ny Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fahazoana ny Fahatelo

hanova

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahatelo ka misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Maly no ahazoana ny Fahatelo: manao tokom-boan-tsikidy efatra ny mpisikidy. Anesorany tsiroaroa mandra-pahasisa iray na roa ny tokom-boan-tsikidy voalohany, dia alainy izay voa sisa (tokana na roa) ka apetrany eo ankavanan' ny lohan' ny Maly mba hamoronany ny lohan' ny Fahatelo. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy faharoa indray izany fihetsika izany mba hahazoany ny tratran' ny Fahatelo izay apetrany eo ambanin' ny lohany. Ampiharina fanintelony amin' ny toko manaraka indray izany mba hahazoana ny vaniany. Ampihariny amin' ny tokom-boan-tsikidy fahefatra farany izany dia azo ny tongotry ny Fahatelo.

Fanakambanana ny Fahatelo

hanova

Ny fanakambanana ny lohan' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fianahana. Ny fanakambanana ny tratran' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Abily. Ny fanakambanana ny vanian' ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Alisay. Ny fanakambanana ny tongotry ny Tale sy ny an' ny Maly sy ny an' ny Fahatelo ary ny an' ny Bilady no ahazoana ny tsanganana Fahavalo. Ny fampifanampiana soratry ny Tale sy ny an' ny Maly no ahazoana ny soratry ny Lalana.

Hevitry ny hoe Fahatelo

hanova

Ny Fahatelo no iantsoana ny rahalahy na ny olona tsy manatrika nefa resahina na ny olon-kafa, amin' ny sikidy malagasy. Ny fivoasana ny sora-tsikidy ao amin' ny Fahatelo no ahafantarana ny mombamomba izany olona izany. Ny Fahatelo dia mety hiseho ao amin' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa

hanova

Tahirin-kevitra azo anovozana

hanova
  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany

hanova