Ny Lalana, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahadimy ambin'ny folo, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Tale sy ny an'ny Maly. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Lalana, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Lalana dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny tsanganana Fahavalo no ahazoana ny tsanganana Lalana: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Tale sy ny an'ny Maly, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony. Apetraka somary ankavia kokoa eo ambanin'ny fàfana misy ny renin-tsikidy ny Fahavalo.

Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Asorotà sy Lalana no ahazoana ny tsanganana Tovolahy (faha-14).

Manondro ny lalana, araka io anarany io, ny Lalana.

Jereo koa hanova

Tsanganan-tsikidy hanova