Ny Abily, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahenina, iray amin'ny tsanganan-tsikidy fahenina, izay apetraka any amin'ny farany ambony, isan'ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain'ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny tsanganan-tsikidy eo alohany dia ny Fianahana fa ny manarakaraka azy dia ny Alisay sy ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Abily misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Abily dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), nyJamanaAsombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Fianahana no ahazoana ny Abily: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny tratran'ny Tale no lohany, ny tratran'ny Maly no tratrany, ny tratran'ny Fahatelo no vaniany ary ny tratran'ny Bilady no tongony.

Ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny an'ny Abily no ahazoana ny soratry ny Haja (faha-11).

Ny Abily dia anarana iantsoana ny ny reny na ny eritreri-dratsy na ny vehivavy antitra, amin'ny sikidy malagasy.

Jereo koa hanova

Tsanganan-tsikidy hanova