Ny Fahasivy, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahasivy, isan'ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin'ny fàfana faharoa eo ambanin'ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny Fahavalo. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Fahasivy, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Fahasivy dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin'ny soratry ny Alisay sy ny an'ny Fahavalo, ka ny fitambaran'ny lohan'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran'ny tratran'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran'ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran'ny tongotr'ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Apetraka ambany ankavanan'ny fàfana misy ny renin-tsikidy ny Fahasivy. Ny fampifanampiana ny isan'ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin'ny soratry ny Fahasivy sy ny an'ny Haja no manome ny tsanganana Ombiasa (faha-12).

Ny Fahasivy dia manondro ny fanahy tsy hita maso sy ny ody.

Jereo koa hanova

Tsanganan-tsikidy hanova

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).