Ny Alisay, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahafito, izay mipetraka ao amin'ny faàfana farany ambony, isan'ireo atao hoe renin-tsikidy, izay matetika tsy alahatra ho hita maso fa ao an-tsain'ny mpisikidy fotsiny, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (nyTale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny vanian'ireo tsanganan-tsikidy ireo. Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Alisay, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony".

Ny Abily dia mety hiseho ao amin'ny iray amin'ireo sora-tsikidy enina ambin'ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Aorian'ny fahazoana ny Abily no ahazoana ny Alisay: Tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo, ka ny vanian'ny Tale no lohany, ny vanian'ny Maly no tratrany, ny vanian'ny Fahatelo no vaniany ary ny vanian'ny Bilady no tongony.

Ny fampifanampiana ny soratry ny Alisay sy ny an'ny Fahavalo no hahazoana ny soratry ny Fahasivy (faha-9) izay isan'ireo atao hoe tera-tsikidy.

Ny Alisay dia anarana iantsoana ny vady, ny vehivavy tiana na ny vehivavy sakaiza amin'ny sikidy malagasy.

Jereo koa hanova

Tsanganan-tsikidy hanova