Fianahana (sikidy)

Ny Fianahana, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahadimy, iray amin' ny tsanganan-tsikidy enina ambin' ny folo, izay apetraka any amin' ny farany ambony. Matetika tsy alahatra ho hita maso ny Fianahana fa ao an-tsain' ny mpisikidy za-draharaha, noho izy vokatry ny famakiana marindrano ny tsanganan-tsikidy efatra voalohany (ny Tale sy ny Maly sy ny Fahatelo ary ny Bilady) manandrify ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy ireo. Ny Fianahana dia anarana iantsoana ny zanaka.

Fanasokajiana

hanova

Anisan' ireo atao hoe renin-tsikidy ny Fianahana, ka ny tsanganan-tsikidy manarakaraka azy dia ny ny Abily, ny Alisay ary ny Fahavalo. Ny tsanganana valo manaraka (Fahasivy, ny Ombisa, ny Haja, ny Zanahary, ny Asorotà, ny Tovolahy, ny Lalana ary ny Trano na Kiba) dia lazaina hoe tera-tsikidy.

Fahazoana ny Bilady

hanova

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy hafa rehetra ny Fianahana: misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony". Aorian' ny fahazoana ny Bilady no ahazoana ny Fianahana: tsy manao tokom-boan-tsikidy intsony ny mpisikidy fa mijery marindrano ny tsanganam-boan-tsikidy efa misy rahateo ka ny lohan' ny Tale no lohany, ny lohan' ny Maly no tratrany, ny lohan' ny Fahatelo no vaniany ary ny lohan' ny Bilady no tongony.

Fanakambanana ny soratry ny Fianahana

hanova

Ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny an' ny Abily no ahazoana ny soratry ny Haja (tsanganana faha-11).

Hevitry ny hoe Fianahana

hanova

Ny Fianahana dia anarana iantsoana ny zanaka amin' ny sikidy malagasy. Io no anjara asa fahadimy amin' ny sikidy ka ny sora-tsikidy mety hiaraka aminy no milaza ny mombamomba ny "zanaka". Ny Fianahana dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Jereo koa

hanova

Tahirin-kevitra azo anovozana

hanova
  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany

hanova