Zanahary (sikidy)
Ny Zanahary na Haky, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy faharoa ambin' ny folo, anisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Ombiasa sy ny an' ny Tovolahy ny Zanahary. Manondro an' i Zanahary na Andriamanitra ny Zanahary.
Fanasokajiana
hanovaAnisan' ny tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy.
Fahazoana ny Zanahary
hanovaMisy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Zanahary: misy "lohany" sy "tratrany" sy valahany" na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoany ny soratry ny Zanahary dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Ombiasa sy an' ny Tovolahy ny mpisikidy, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny valahana na vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.
Fampifanampiana ny soratry ny Zanahary
hanovaNy fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Zanahary sy an' ny Tale no ahazoana ny tsanganana Trano na Kiba (tsanganana faha-16).
Hevitry ny hoe Zanahary
hanovaManondro an' i Zanahary na Andriamanitra ny Zanahary na Haky. Ny Zanahary dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny soratry ny Zanahary no ahazoana ny mombamomba izay lazaina eto hoe "zanahary" na "Zanahary".
Jereo koa
hanovaTahirin-kevitra azo anovozana
hanovaBoky
hanova- Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
- Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
- Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
- Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
- Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
- Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
- Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.
Rohy ivelany
hanova- La divination sikidy à Madagascar Archived Janoary 30, 2020 at the Wayback Machine ()
- "Sikidy", Anthropomada.com
- Skinner, Stephen (1980-01-01). Terrestrial astrology: Divination by geomancy (PDF) (1st ed.). London ; Boston: Routledge & Kegan Paul.
- "Ny sikidy (PDF)", madarevues.recherches.gov.mg
- Jean François Rabedimy sy Etienne Razafindehibe, Cours N°1 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°2 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°3 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- Jean François Rabedimy sy Eugène Régis Mangalaza, Cours N°4 : "La divination au quotidien : le sikidy et ses formes symboliques ", www.anthropomada.com
- J. F. Rabedimy, "Pratique de divination à Madagascar (PDF)" Archived Mey 18, 2024 at the Wayback Machine, madadoc.irenala.edu.mg