Ny babakoto na endrina dia ny lehibe indrindra amin' ny karazana gidro[1]. 64 hatramin' ny 72 sm ny halavany ary milanja 6 hatramin' ny 9,5 kg izy.[2] Mainty sy fotsy ny volon' ny babakoto. Tena kely ny rambony.

Babakoto ao Andasibe-Mantadia tamin' ny taona 2004

Biby mpivoaka andro ny babakoto (miasa mandritra ny andro). Tokam-bady sady miara-belona amin' ny fianakaviana kely anatin' ny alamorana ny babakoto. Mitabataba ny vondrona babakoto izay mifadray tsy tapaka amine'ny vondrona babakoto hafa.

Mihinana ravina sy voankazo ary vony ny babakoto. Iray amin' ireo biby izay tsy miaina amin' ny zoo ny babakoto.[3] Tandindonin-doza ka voaaro ny babakoto. Tsy misy babakoto ny any ivelan' i Madagasikara.[4][5]

Jereo koa hanova

Tsiahy hanova

  1. Folia Primatologica - Female Dominance in Indri indri
  2. "New England Primate Conservancy - Indri". Archived from the original on 2019-07-16. Retrieved 2019-07-16.
  3. Mada Magazine: The Singing Lemurs: Indri
  4. "Madagascar Tribune - Les lémuriens « Indri-indri » menacés de disparition". Archived from the original on 2023-01-22. Retrieved 2023-01-22.
  5. "New England Primate Conservancy - Indri". Archived from the original on 2019-07-16. Retrieved 2019-07-16.