Zoma
Ny Zoma dia andro fahadimy ao amin' ny herinandro raha ny Alatsinainy no andro voalohany, fa andro fahenina kosa raha ny Alahady no andro voalohany. Amin' ny Malagasy mandala ny fomban-drazana dia andro faharoa ny Zoma raha andro voalohany ao amin' ny herinandro ny Alakamisy.
Fiforonan-tenyHanova
Ny teny malagasy hoe Zoma na Azoma na Joma dia avy amin'ny teny arabo hoe الجمعة / al-jum‘ah izay midika hoe "andro fahenina".
Ny andro Zoma eo amin' ny kolontsaina makagasyHanova
Laharan' ny andro Zoma ao amin' ny herindroHanova
Andro faharoa ny Zoma teo amin' ny Ntaolo malagasy.
Finoana momba ny andro ZomaHanova
Andro mainty ny Zoma ka mety amin' ny fandevenana, toy ny Alatsinainy. Atao hoe "Zoma manantena" ny andro Zoma.
Ohabolana momba ny andro ZomaHanova
- Ny akoho no tsy nanidina : tsy nahandry ny andro Zoma.
- Ny Alakamisy an' Andriamanelo, ary ny Zoma an' Andriamananitany ; ataoko fanjakana arindra.
- Zoma tsy hendry, ka Asabotsy vao fiharatra.