Prôtektôrata Frantsain' i Madagasikara
Ny Prôtektôrata Frantsain' i Madagasikara no satan' i Madagasikara izay voafaritra teo amin' ny vanim-potoana izay nianjeran' ny Fanjakan' i Madagasikara ka nahatonga an' ilay nosy ho eo ambany fiarovana na prôtektôrata frantsay (1882 - 1897), izay nanombohan' ny fanjanahan-tany frantsay teto Madagasikara. Tamin' ny alalan' ny prôtektôrata no nanandrana nifehy ny raharaham-bahiny tao amin' ny Fanjakana Merina tamin' ny alalan' ny solontenany tao Antananarivo i Frantsa.
Nambaran' i Frantsa ny maha prôtektôrata ny Nosy tamin' ny taona 1882, rehefa nanao fifanarahana tamin' i Britaina Lehibe, izay firenena eorôpeana voalohany nanana hery sy fisiana maharitra teo amin' ny Nosy nanomboka tamin’ ny fahatongavan' ireo misiôneran' ny London Missionary Society tamin’ ny taona 1820 tany ho any; nanaiky ny fitakian' ny Frantsay an' i Madagasikara i Britaina Lehibe ho takalon' ny faneken' ny Frantsay ny fitakiany an' i Zanzibar.
Naharitra teo anelanelan' ny taona 1882 sy 1897 ny prôtektôratan' i Madagasikara, talohan' ny nampidirana ny Nosy ho zanatany frantsay. Tamin' ny 28 Janoary 1896 no nametrahan' ny Frantsay an' i Diego-Suarez, Nosy-Be ary ny nosy Sainte-Marie ho ao amin' ny Prôtektôratan' i Madagasikara
Ny tanin' ny Prôtektôrata frantsain' i Madagasikara dia mifanandrify amin' ny tanin' ny Fanjakan' i Madagasikara teo aloha sy ny zanatany ho avy ary ny Repoblikan' i Madagasikara izay ho lasa mizaka tena amin' ny taona 1958, ary avy eo mahaleo tena amin' ny taona 1960.
Fanamarinan' ny Frantsay ny prôtektôrata
hanovaNohamarinin' ny Frantsay ny fananganana prôtektôrata noho ny fitakiany tany amin' ireo nosy toa an' i Nosy Be sy Nosy Boraha ary noho ny fifanarahana nosoniavin' ny lehiben' ny foko Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefana. Mbola nohamarinina izany tamin' ny alalan' ny antontan-taratasy nosoniavin' ny mpanjaka Radama II, anisan' izany ny taratasy nampanaovina sonia, mety am-pitaka, izay niangavy an' i Napoléon III hanohana ny fanonganana an-dRanavalona I, sy ny fifanarahana fananan-tany tamin' ilay mpandraharaha frantsay Joseph-François Lambert izay nofoanana tamin' ny famonoana an-dRadama II tamin' ny taona 1863. Nifarana tamin' ny 1897 izany rehefa lasa zanatany frantsay i Madagasikara.
Fanoherana ny prôtektôrata frantsay
hanovaFanoherana
hanovaNolavin' ny mpitondra nifandimby Ranavalona II sy Ranavalona III ary Rainilaiarivony praiminisitra ny fitakiana ny satan' ny prôtektôrata frantsay ary tsy nety nanaiky ny hisian' ny solontenan' ny Frantsay na nanaiky ny fitakian' ny Frantsay, izay nikasa ny hifehy ny raharaham-bahiny sy ny varotra eto Madagasikara, izy ireo. Nandefa taratasy tany amin' ny mpiara-miombon' antoka ara-diplômasia sy ara-barotra any ivelany, anisan' izany i Britaina Lehibe sy i Etazonia, ny fitondram-panjakana malagasy mba hangataka azy ireo hisolo vava an' i Madagasikara eo anatrehan' i Frantsa momba ny fitohizan' ny fahaleovantenan' ny Malagasy. Nanapoaka baomba tamin' ny tanàna amorontsiraka i Frantsa mba hanamafisany ny fitakiany, saingy mbola nitohy nitantana ny raharahany tsy nisy fitsabahan' ny firenena hafa firy ny Fanjakan' i Madagasikara.
Raha ny marina dia kely na tsy nampiharina ny fepetran' ny prôtektôrata miaraka amin' i Frantsa, izay tsy afaka nisoroka ny fanafihan' ny mpanjanaka frantsay tamin' ny taona 1895.
Vokatry ny fanoherana
hanovaVokatry ny fanoherana ny prôtektôrata dia nisy tafika frantsay nibodo an' Antananarivo tamin' ny Septambra 1895 ary nampigadra ny mpanjakavavy Ranavalona III sy ny praiminisitra Rainilaiarivony.
Fomba fiasa sy rafitra
hanovaFomba fiasa
hanovaIo prôtektôrata io dia mitovitovy foto-kevitra amin' ny Prôtektôrata Frantsain' i Tonizia sy ny Prôtektôrata Frantsain' i Marôka, izay mitazona ny fitantanan-draharahan' ny Fanjakana Merina manontolo sy ny fitsipika sy lalàna nentim-paharazana malagasy sady nametraka "résidents généraux" izay solontena miaro ny tombontsoan' i Frantsa. Ny sata mifehy ny fizakan-tena kosa dia eo anelanelan' ny fahaleovantena sy ny satan' ny zanatany.
Ny mpanjaka nandritra ny prôtektôrata
hanova- 1882-1883: Ranavalona II, zanak' olo-mpiray tam-po amin-dRasoherina, no teo amin' ny fitondrana nanomboka ny taona 1868. Vadin' ny praiminisitra Rainilaiarivony izy. Tamin' ny fitondrany dia niely nanerana ny Nosy ny kristianisma, ary ny prôtestantisma izay niovany fo dia lasa fivavahan' ny fanjakana tokoa. Niezaka ny hihazona ny fifandanjana eo amin' i Frantsa sy Angletera izy. Nataon' i Frantsa ho prôtektôrata i Madagasikara tamin' ny taona 1882.
- 1883-1896: Ranavalona III, zanak' anabavin-dRadama II, no vadin' ny praiminisitra Rainilaiarivony.
Ny résidents généraux sy ny governora
hanovaNy résidents sy ny governora tamin' ny fanjanahantany dia:
Fanombohan' ny fotoam-pitantanana | Fiafaran' ny fotoam-pitantanana | Anarana | Andraikitra |
17 Desambra 1885, fifanarahana frantsay-malagasy | |||
28 Avrily 1886 | Mars 1888 | Charles Le Myre de Vilers | Résident général |
Marsa 1888 | 12 Desambra 1889 | Paul Augustin Jean Larrouy | Résident général |
12 Desambra 1889 | 11 Oktobra 1890 | Maurice Bompard | Résident général |
11 Oktobra 1890 | Oktobra 1892 | Jean Aurélien Lacoste | Nanao ny asan’ ny Résident général |
Oktobra 1892 | 1894 | Paul Augustin Jean Larrouy | Résident général |
1894 | 1 Desambra 1895 | Charles Le Myre de Vilers | Résident général |
1 Oktobra 1895, prôtektôrata frantsay | |||
1 Desambra 1895 | 28 Septambre 1896 | Hippolyte Laroche | Résident général |
6 Aogositra 1896, fanakambanana an' i Madagasikara amin' i Frantsa |
Fihetseham-bahoaka sy fiafaran' ny prôtektôrata
hanovaTamin' ny Janoary 1897, i Frantsa dia nanambara an' i Madagasikara ho zanatany frantsay ary nanao sesitany ny praiminisitra Rainilaiarivony tany Alzeria, izay maty tsy ela taorian' izay. Nofoanana ny fanandevozana sy ny sarangam-poko (andevo - hova - andriana) ary ny fitondrà-mpanjaka.
Nisy ny fametrahana governora sivily sy ny fampidirana am-ponja sy famonoana ny mpanohitra. Navela hanohy ny fitantanana ny raharaha anatiny sasany ny mpanjakavavy.
Nipoitra ilay hetsika fanoherana malaza, dia ny fikomian' ny Menalamba, ho setrin' ny kolikoly sy ny tsy fahombiazan' ny fitondran' ny mpanjaka, sy noho ny fitomboan' ny fisian' ny Eorôpeana sy ny heriny teto amin' ny Nosy, ary noho ny fielezan' ny kristianisma. Taorian' ny famongorana tamin-kerisetra ny fikomiana tamin' ny 1897, dia novonoin' ny Frantsay ireo izay anisan' ny fianakavian' ny mpanjaka, ary nalefany sesitany tany La Réunion aloha ny mpanjakavavy, ary tatỳ aoriana tany Alzeria, ary tany no nahafatesany tamin' ny taona 1917.