Ombiasa (sikidy)

(tonga teto avy amin'ny Ombiasa (sora-tsikidy))

Ny Ombiasa na Ombiasy na Mbiasa, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahafolo, isan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja (na Haza). Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Ombiasa, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany" na "vaniany" ary "tongony".

Ny Ombiasa dia mety hiseho ao amin' ny iray amin' ireo sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), nyJama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns.

Mba hahazoany ny soratry ny Ombiasa ny mpisikidy dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny valahana na vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Ombiasa sy Tovolahy (na Saily) no manome ny tsanganana Zanahary na Haky (faha-12).

Ny Ombiasa dia manondro tokoa ny ombiasa na ombiasy.

Jereo koa hanova

Tsanganan-tsikidy hanova

Tale, Maly, Fahatelo, Bilady, Fianahana, Abily, Alisay, Fahavalo, Fahasivy, Ombiasa, Haja, Zanahary (na Haky), Asorotà, Tovolahy (na Saily), Lalana, Trano (na Kiba).