I Lviv na Lvov dia tanàna any Okraina, renivohitry ny ôblastan' i Lviv, any Galicia, ao avaratry ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana. Tamin' ny taona 2020 ny isan' ny mponiny dia 724 314, antsoina hoe "Lviviana".

Katedraly Laina ao Lviv

Amin' ny teny okrainiana izy dia atao hoe Львів / L'viv; amin' ny teny pôlôney: Lwów; amin' ny teny rosiana: Львов / Lvov; amin' ny teny alemàna: Lemberg; amin' ny teny idisy: לעמבערג / Lemberg; ary amin' ny teny hongariana: Illyvó (tamin' ny Andro Antenatenany)

Foibe ara-kolontsaina manan-danja i Lviv (ahitana ny Oniversinte Ivan Franko, naorina tamin' ny taona 1661; ahitana tranombakoka sy teatra koa), foibe ara-barotra sy momba ny taozava-baventy (famokarana fitaovana sy fanaka elektrônika, fanamboarana fiarabe mpitatitra olona, famokarana sy fanefena metaly, famokarana ara-tsimia, fanenoman-damba, fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo), foibe ara-pivavahana (ao no misy ny arsevekan' ny Fiangonana Katôlika, sy ny an' ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Okraina, ary ny an' ny Fiangonana Ôrtôdôksan' i Armenia) ary koa fihaonan' ny lalamby.

Ahitana tsangambato sy zava-boaorina ara-pivavahana maro ny ao Lviv: ny Fiangonan' ny Torimason' i Maria (naorina tamin' ny taonjato faha-14) sy tilikambon-dakolosy misy rihana efatra, ny Katedraly Gôtika (naorina tamin' ny taona 1370-1404), ny Lasapely Boimov (naorina tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-17), ny Katedraly Armeniana (naorina tamin' ny taonjato faha-14 hatramin' ny faha-15), sns.

Anisan' ny tanàna tranainy indrindra any Okraina i Lviv, izay naorin' i Daniel Romanovitch, diokan' i Galicia tamin' ny taona 1250. Nandritra ny taonjato faha-13 sy faha-14 izy dia nanjary foiben' ny raharaham-barora sy ny asa tanana tany amin' ny tapany atsinanana amin' i Galicia ary nandray anjara lehibe tamin' ny ady nanoherana ny Tatara. Azon' ny Pôlôney tamin' ny taona 1340 izy, ary nakamban' i Kazimierz III Wielki ("Kazimira III Lehibe") tamin' i Pôlônia, izay nanao azy ho renivohitr' i Rosia Mena Pôlôney.

Imbetsaka i Lviv no nisy nanao fahirano: ny Tatara tamin' ny taona 1514 sy 1648, ny Kôsaka, ny Tiorka (tamin' ny taonjato faha-16 sy faha-17). Azon' i Karl XII mpanjakan' i Soeda izy tamin' ny taona 1704, ary tamin' ny fiafaran' ny fizaràna voalohany an' i Pôlônina, dia lasa teo ambany fahefan' i Aotrisy izy (1772-1918). Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany dia nisy ady mahery vaika tao an-tanàna. Azon' ny Rosiana i Lviv sy ny sisa amin' i Galicia (Septambra 1914), lasan' ny Aostrô-Alemana indray izy tamin' ny 22 Jona 1915, avy eo azon' ny Pôlôney tamin' ny Novambra 1918 taorian' ny ady mahery vaika tamin' ny Okrainiana.

Lasa tanàna pôlôney indray i Lviv hatramin' ny taona 1939. Nisedra fagasahiranana mafy izy io nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Nobodoin' ny tafika sôvietika sy nakambany tamin' ny Firaisana Sôvietika izy nanomboka tamin' ny Septambra 1939, nefa resin' ny tafika alemana tamin' ny Aogositra 1941, avy eo lasan' ny Tafika Mena tamin' ny 28 Jolay 1944. Tamin' ny taona 1945 dia natolotr' i Pôlônia ho an' ny Firaisana Sôvietika i Lviv sy ny tapany atsinanana amin' i Galicia. Tafiditra ao Okraina izy io nanomboka tamin' ny 1991 nahazoan' ity firenena ity ny fahaleovan-tenany.

Rehefa nanafika an' i Okraina i Rosia tamin' ny taona 2022, ny Okrainiana mpitsoa-ponenana an' arivony nandositra ny ady dia niditra tao an-tanàna.