Ny fiteny idisy dia fiteny jermanika avy amin' ny fiteny alemàna ambony ahitana voambolana hebreo sy slava, izay nampiasain' ny vahoaka jiosy ao Eorôpa Afovoany sy Atsinanana (atao hoe Askenazy) ho fiteny ifaneraserana andavanandro nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany. Atao hoe fiteny jodeô-alemàna koa io fiteny io. Ny roa ampahatelon' ny Jiosy eran-tany no niteny idisy, izany hoe olona miisa 11 000 000 taloha kelin' ny Ady Lehibe Faharoa. Nanomboka tamin' ny fandripahana Jiosy nataon' ny Nazi izay nahafaty ny ankamaroan' ny Jiosy tao Eorôpa dia nanjary fitenim-bahoaka vitsy anisa miparitaka sady andalam-panjavonana ny fiteny idisy.

Jereo koa hanova