I Kelimalaza na Ikelimalaza na Rakelimalaza dia iray amin' ny sampy roa ambin' ny folon' ny mpanjaka merina izay notehirizina tao Ambohimanambola hatramin' ny andron-Ralambo (faramparan' ny taonjato faha-16). Tapa-kazo roa natambatra hanana endrika V sady napetaka amin' ny tapa-dambamena sy nofonosina lambalandy ary nohidiana anaty vata i Kelimalaza. Izany rehetra izany dia napetraka eo ambony vola sy firavaka volafotsy. Niantso azy hoe "mpanjakan' ny sampy" i Andrianampoinimerina.

Araka ny fitantaran' ny Tantara ny Andriana dia nisy vehivavy atao hoe Kalobe tonga tao Imerina tamin' ny andron-dRalambo nitondra zavatra kely mifono ravin' ankondro sy ahitra. Avy nandao ny tanànany tao Isondra any amin' ny tanin' ny Betsileo, izay ravan' ny afo, izy ka nandeha lavitra sady tsy nandeha raha tsy amin' ny alina mba hanomezany ny mpanjaka an' i Kelimalaza. Noraisin-dRalambo ilay sampy ka nanamboarany trano teo amin' ny tanàna akaikin' ny lapany. Nifidy olona hianatra ny tsiambaratelo momba io sampy io amin' i Kalobe ny mpanjaka Ralambo. Nataon' ny mpanjaka izay tsy hahaveloman' i Kalobe intsony rehefa azo daholo ny momba an' i Kelimalaza, amin' izay tsy ho entiny mandositra ilay sampy masina[1].

Novalàna ny toerana nisy ilay sampy ka maro ny fady momba azy sy ny toerana misy azy. Tsy azo nampidirana Vazaha na soavaly na basy na kisoa na osy ny ao Ambohimanambola. Raha tsy voatandrina izany dia natahorana ny hisian' ny aretina sy ny tsy fahavokaran' ny fambolena ary ny loza samihafa. Anaovana sorona sy fanatitra i Kelimalaza mba hahasitranan' ny aretina sy hananana anaka ary hampahavokatra ny tany.

Nodoran-dRanavalona II i Kelimalaza tamin' ny nampidirany ny fivavahana kristiana ho fivavaham-panjakana tao amin' ny lapan' ny mpanjaka merina tamin' ny taona 1869.

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. De La Vaissière, Camille; Abinal, Antoine (1885). Vingt ans à Madagascar: colonisation, traditions historiques, moeurs et croyances (in French). Paris: V. Lecoffre. pp. 63–71. Notsidihina 19/02/2011.