Ny fody dia karazana vorona madinika, mivololombatolalaka ny volony raha mbola tsy eo amin' ny fotoana fanatodizany, na ny lahy na ny vavy. ao amin' ny fianakaviana Ploceidae, hita sy avy eto Madagasikara, izay nampidirina ao La Réunion (izay miantso azy hoe foudi na kardinal) sy ao Maorisy (izay miantso azy hoe cardinal fody) izy.

Fodilahy

Mivadika mena ny volon' ny lahy amin' ny vanim-potoan' ny fananahana, eo amin' ny fiandohan' ny volana Nôvambra, ka maharitra hatramin' ny faramparan' ny volana Marsa izany. Mandritra ny ririnina dia any anaty ala ny fody no mipetraka.Ny fody dia vorona hita anatina faritra voafetra, ary ny Fikambanana Iraisam-Pirenena momba ny Fiarovana ny Zavaboary (International Union for Conservation of Nature) dia nihevitra ny satan' ny fiarovana azy ho "tsy dia mampanahy loatra".

Eo amin' ny kolontsaina

hanova
 
Fodivavy

Ny ahafantarana ny fody indrindra dia izy anisan' ny vorona mpanimba ny voly, fa indrindra ny vary.

Ohabolana

hanova
  • Aza manao fodilahy mena vary, ka manandrana alohan' ny tompony.
  • Aza mandrara-komana, toa fody.
  • Tsikirity momba fody: tsy tompon-dia, fa mpanaraka.

Jereo koa

hanova