Impératif présent

Ny imperatif présent dia filazam-potoana ao amin' ny filaza mandidy (mode impératif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay mifanandrify amin' ny fotoana ankehitriny sy hoavy, ampiasaina hilazana fibaikoana, fandrarana, fangatahana, fiangaviana, na tsodrano. Amin' ny fanehoan-javatra tsy efa izy ka mifanohitra amin' ny impératif passé izay amin' ny fanehoan-javatra efa. Ny présent de l'indicatif sy ny futur simple no mifanandrify aminy. Tsy mahakasika ny fotoana lasa izy fa mitodika any amin' ny hoavy. Ny impératif présent no ampiasaina betsaka kokoa noho ny impératif passé.

Ohatra

  • Gilbert, passe-moi le sel, s'il te plaît !
  • Prends une aspirine et essaie de te reposer un peu !
  • Passe une bonne journée !
  • Pardonne-nous nos offenses !

Jereo koa

hanova