Ny imperatif passé dia filazam-potoana ao amin' ny filaza mandidy (mode impératif) ao amin' ny fitsipiteny frantsay, izay mifanandrify amin' ny fotoana ankehitriny sy hoavy, tsy araka io anarana entiny io. Ny hoe "passé" (ara-bakiteny: "lasa") eto dia manambara fahavitana na fahatanterahana fotsiny izay maneho fanehoan-javatra efa. Ampiasaina hilazana fibaikoana, fandrarana, fangatahana, fiangaviana, tsodrano tokony ho vitaina na tanterahin' izay naheno izany mialoha ny impératif passé. Izany no ifanoherany amin' ny impératif présent izay tsy manambara fahavitana na fahatanterahana mialoha (fanehoan-javatra tsy efa). Ny passé composé (amin' ny maha filazam-potoana afaka mitodika any amin' ny hoavy azy) sy ny futur antérieur no mifanandrify aminy. Tsy mahakasika ny fotoana lasa izy fa mitodika any amin' ny hoavy. Ny impératif passé dia tsy tena miasa betsaka raha ampitahaina amin' ny impératif présent.

Jereo koa

hanova