Ny Ilkanata dia kanata niorina avy amin' ny faritra atsimo-andrefana amin' ny Empira Môngôly. Ny fanjakan' ny Ilkanida, fantatra amin' ny fomba ôfisialy amin' ny hoe Iranzamin ("tanin' i Iràna"), dia nofehezin' ny Tranon' i Hulagu tao amin' ny vahoaka môngôly. I Hulagu Khan, zanak' i Tolui sady zafikelin' i Genghis Khan, no nandova ny faritra afovoany-atsinanana tamin' ny Empira Môngôly taorian' ny nahafatesan' i Möngke Khan rahalahiny tamin' ny taona 1260.

Amin' ny teny persiana dia atao hoe ایل خانان / Ilkhānān, fa amin' ny teny môngôly dia Hülegü Ulus (Qulug-un Ulus).

Ao amin' ny faritra misy an' i Iràna sy i Azerbaijàna ary i Torkia ankehitriny no tena fari-taniny. Amin' ny habeny lehibe indrindra, ny Ilkanata koa dia nahitana ampahany amin' i Iràka, i Siria, i Armenia, i Jeôrjia, i Afganistàna, i Torkmenistàna, i Pakistàna ankehitriny, ampahany amin' i Dagestàna amin' izao fotoana izao, ary ampahany amin' i Tajikistàna amin' izao fotoana izao. Niova finoana ho silamo iny mpitondra Ilkanata taty aoriana, nanomboka tamin' i Ghazan tamin' ny 1295.

Tamin' ny taompolo 1330 dia ravan' ny "Fahafatesana Mainty" ny Ilkanata. Maty tamin' ny taona 1335 ny khan farany tao Abu Sa'id, taorian' izay dia rava ny kanata. Ny mpitondra Ilkanida, na dia tsy manam-piaviana iraniana aza, dia nanandrana nanambara ny fahefany tamin' ny fampifandraisana ny tenany amin' ny lasan' ny Iraniana, ary naka mpahay tantara izy ireo mba hanolotra ny Môngôly ho mpandova ny Sasanida (224-651) an' i Iràna talohan' ny silamo.