Ny khan no karazana emperora tao amin' ny Tatara tany Azia Afovoany sy tao amin' ny Môngôly koa. Tamin' ny taona 1206, i Genghis Khan dia nandray ny anaram-boninahitra hoe Khan Lehibe an' ny Môngôly, anaram-boninahitra noraisin' ny mpandimby azy tao amin' ny Empira Môngôly any amin' ny firenena tsirairay, hatrany any Eorôpa ka hatrany Sina. Nantsoina koa hoe khan ny lohan-tarana-mpanjaka sy ny andriana manompo tany India sy tany Pakistàna ary tany Azia Afovoany.

Ny hoe khan dia anaram-boninahitra tiorka-môngôly tao amin' ny vondrom-poko mpifindrafindra monina any amin' ny "Fatrana ao Eoraziana Afovoany sy Atsinanana", atao hanondroana ny mpanapaka na ny lehibe. Nipoitra voalohany teo amin' ny Roràna (Rouran) izy io ary avy teo amin' ny Gôktorka (Göktürk) ho karazana khagan (andriamanjaka, emperora) ary midika fisiana mpanapaka ambany fifehezana. Tao amin' ny Empira Seljokida dia io no anaram-boninahitra ambony indrindra, ambony noho ny malik ("mpanjaka") sy ny emir ("andriandahy"). Tao amin' ny Empira Môngôly dia manondro ny mpitarika ny andian' olona (ulus), fa ny mpitondra ny Môngôly rehetra dia ny khagan na khan lehibe.

Nihena ny lanjan' ilay anaram-boninahitra taorian' izay. Tao amin' ny Safavida (tarana-mpanjaka) dia anaram-boninahitry ny mpitari-tafika (jeneraly) miaramila izy io, ary tany India nofehezin' ny Mogaly (na Môgôly) dia laharana ambony natokana ho an' ny tandapa izany. Taorian' ny fianjeran' ny Môgôly dia nampiasaina tamin' ny resaka fijangajangana io teny io ka nanjary anaram-bosotra. Ny khan sy ny endrik' io teny io manondro vehivavy (khatan) dia mikambana amin' ny anaran-tsamirery maro, amin' ny ankapobeny tsy misy misy ifandraisany amin' ny andriana na olo-manan-danja ara-pôlitika, na dia mijanona ho ampahany mahazatra amin' ny anaran' andriana ihany koa.

Jereo koa hanova