Kirihitrala
Ny kirihitrala dia faritra na tany izay misy hazo madinika maro, matevina ary mifampidimpiditra sy mitsitokotoko. Ny kirihitrala, izay zara raha azo idirana, dia foronin' ny karazan-kazo madinika, mandrakotra farafahakeliny 40 % amin' ny velaran-tany (kirihitrala manify) na mihoatra izany (kirihitrala matevina). Ny fanombanana ny tahan' ny fandrakofan' ny kirihitra (latsaky ny 75 %) dia ahafahana manombana ny ambana mety hateraky ny fikatonan' ny toerana.