Haja (sikidy)

(tonga teto avy amin'ny Haza (sikidy))

Ny Haja na Haza, araka ny fanaovana sikidy malagasy, dia ny tsanganan-tsikidy fahiraika ambin' ny folo, anisan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy. Vokatry ny fampifanampiana ny soratry ny Fianahana sy ny Abily ny Haja, izay manondro ny hanina na sakafo.

Fanasokajiana

hanova

Anisan' ireo tsanganan-tsikidy valo atao hoe tera-tsikidy, izay apetraka any amin' ny fàfana faharoa eo ambanin' ireo atao hoe renin-tsikidy, ny Haja.

Fomba fahazoana ny Haja

hanova

Misy vaniny efatra toy ny tsanganan-tsikidy malagasy rehetra ny Haja na Haza, misy "lohany" sy "tratrany" sy "valahany " na "vaniany" ary "tongony". Mba hahazoany ny soratry ny Haja dia manambatra ny isam-boan-tsikidy ao amin' ny soratry ny Fianahana sy ny Abily ny Haja, ka ny fitambaran' ny lohan' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no lohany, ny fitambaran' ny tratran' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tratrany, ny fitambaran' ny vanian' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no vaniany, ary ny fitambaran' ny tongotr' ireo tsanganan-tsikidy roa ireo no tongony.

Fampifahampiana ny soratry ny Haja

hanova

Ny fampifanampiana ny isan' ny voan-tsikidy mifanandrify ao amin' ny soratry ny Fahasivy sy ny an' ny Haja no manome ny tsanganana Ombiasa (tsanganana faha-12).

Hevitry ny hoe Haja

hanova

Manondro ny hanina na sakafo ny Haja. Ny Haja dia mety hisehoan' ny iray amin' ny sora-tsikidy enina ambin' ny folo toy ny Tareky (1 1 1 1), ny Jama na Asombola (2 2 2 2), ny Asorasady (2 2 1 1), ny Alahasady (1 1 2 2), ny Alitsimay (2 1 1 2), sns. Ny fanakarana ny hevitry ny Haja no ahafantarana ny mombamomba izany atao hoe "hanina" na "sakafo" izany.

Jereo koa

hanova

Tahirin-kevitra azo anovozana

hanova
  • Chemillier, Marc, Denis Jacquet, Victor Randrianary & Marc Zabalia, 2005, "L'art des devins à Madagascar", Pour la science 47 : Mathématiques exotiques : 90-95.
  • Dandouau (André.), "Ny fahombiazan' ny sikidy" in Bulletin de l'Académie Malgache, Tananarive, 1908 (pp. 62-72).
  • Decary (Raymond), La divination malgache par le sikily, Paris, Publication du Centre Universitaire des Langues Orientales vivantes (Volume IX), 1970. ELIADE (Mircea), Le sacré et le profane, Paris, Gallimard, 1965.
  • Decary, Raymond, avec la collab. de Marcelle Urbain-Faublée, 1970, La Divination malgache par le Sikidy. Paris, Paul Geuthner.
  • Rabedimy (Jean François), Pratiques de divination à Madagascar ; Techniques du Sikily en Pays Sakalava Menabe, Travaux et Documentation de l’ORSTOM (N°51), PARIS, 1976
  • Russillon (Henri), "Le sikidy malgache" in Bulletin de l’Académie Malgache, (Vol VI), Tananarive, 1908-1909 (p.p. 115-162).
  • Sibree, James (June 1862). "Divination among the Malagasy, Together with Native Ideas as to Fate and Destiny". Folklore. 3 (2): 193–226.

Rohy ivelany

hanova