Fahantrana eto Madagasikara
Ny fahantrana eto Madagasikara dia fahantran' i Madagasikara sy fahantran' ny ankamaroan' ny Malagasy. Miatrika fanamby goavana i Madagasikara amin' ny tahan' ny fahantrana izay ambony indrindra eran-tany. Miaina ao anatin' ny fahantrana ny ampahany be amin' ny vahoaka malagasy na dia eo aza ny harena voajanahary sy ny zavamananaina tsy manam-paharoa ao aminy.
Antony maromaro no mahatonga ny fahantrana, ka anisan' izany ny antony ara-toekarena (fahambanian' ny fitomboan' ny toekarena, fiankinan-doha amin' ny fambolena sy ny fiompiana, tsy fahampian' ny fotodrafitrasa), ny antony ara-tsôsialy (fanabeazana voafetra, tsy fitoviana eo amin' ny samy faritra), ny antony ara-tontolo iainana (fahasimban' ny tontolo iainana, loza voajanahary), ary ny antony ara-pôlitika sy ara-pitantanan-draharaham-panjakana (krizy pôlitika miverimberina sy ny fanjakana tsy tsara tantana).
Misy fiantraikany goavana eo amin' ny fiainan' ny mponina ny fahantrana eto Madagasikara, ka anisan' izany ny tsy fanjarian-tsakafo, ny kalitao sy ny habetsahana voafetra eo amin' ny zavatra ilain' ny mponina andavanandro, ny fitomboan' ny isan' ny olona marefo, ny fifidrà-monina avy any ambanivohitra mankany an-drenivohitra.
Ny mahatonga ny fahantrana
hanovaAntony ara-toekarena
hanovaAnisan' ny anton' ny fahantrana ny hakelezan' ny fitomboan' ny toekarena izay tsy ampy hamoronana asa mba hampihenana ny fahantrana. Antony iray koa ny fiankinan-doha amin' ny fambolena sy ny fiompiana: ny ampahany betsaka amin' ny mponina dia miaina amin' ireo sehatr' asa roa ireo izay mora voan' ny loza ateraky ny fiovan' ny toetany miseho amin' ny alalan' ny haintany sy ny rivodoza. Ao koa ny tsy fahampian' ny fotodrafitrasa toy ny lalana, ny tsy fahampian' ny angovo, sns izay mametra ny fidirana amin' ny tsena (na anatiny na ivelany) izay misakana ny fampandrosoana ara-toekarena.
Antony ara-tsôsialy
hanovaAntony ara-tsôsialy mahatonga ny fahantrana ny tsy fahampian' ny fanabeazana, izay miteraka fiakaran' ny tahan' ny tsy mahay mamaky teny sy manoratra, sy tsy fahafahan' ny maro anisa hahazo fianarana tsara kalitao izay mametra ny fahafahana hahazo asa. Ao koa ny tsy fitoviana eo amin' ny samy faritra sy ny tsy fitovian' ny mpiara-monina eo amin' ny lafiny sôsialy, ary misy ny tsy fitovian' ny ambanivohitra sy ny an-tanàn-dehibe.
Antony ara-tontolo iainana
hanovaMandrahona ny antom-piveloman' ny mponina ny fahasimban' ny tontolo iainana vokatry ny fandripahana ala, sy ny fikao-tany ary ny fahaverezan' ny karazana zavamananaina maro. Mampitombo isa ny olona marefo ny loza voajanahary toy ny rivodoza sy ny haintany miverimberina.
Haintany mitohy
hanovaTsy mitsaha-mitombo ny haintany mitohy sy maharitra izay mahazo ny ilany atsimo amin' i Madagasikara. Vokatr' izany dia mihakely na ritra mihitsy ny loharanon-drano, mihasimba ny tany ary mihena be ny vokatry ny fambolena. Very fidiram-bola noho izany ny tantsaha izay ampahany be amin' ny mponina.
Rivodoza isan-taona
hanovaManimba ny fotodrafitrasa sy ny fambolena ary ny trano fonenana ny rivodoza trôpikaly, izay miseho matetika sady mahery vaika, ka mahatonga ny mponina hiaina ao anatin' ny loza mitatao sy ao anatin' ny toe-javatra mamparefo. Ny orana mivatravatra sy ny rivotra mahery entin' ny rivodoza dia manafaingana ny fahasimban' ny tany sy mampihena ny fahavokarany ary mampitombo ny mety hisian' ny fihotsahan' ny tany izay lasa tsy azo onenana sy tsy azo amokarana intsony.
Fikao-tany sy fitomboan' ny tany karankaina
hanovaMampihena ny tany azo volena ary mandrahona ny fiainan' ny karazan-javamananaina ny fitomboan' ny tany efitra vokatry ny fandripahana ala, sy ny fitrandrahana tafahoatra ny harena voajanahary, ary ny fiovan' ny toetany. Voatery mifindra monina avy any ambanivohitra mankany an-tanàn-dehibe na any amin' ny faritra hafa ny mponina tena marefo mba hitady toerana tsaratsara kokoa.
Antony ara-pôlitika sy ara-pitantanana
hanovaTsy fitoniana ara-pôlitika
hanovaNiteraka tontolo tsy azo antoka izay manakivy ny fampiasam-bola sy manakorontana ny pôlitikam-pampandrosoana ny krizy pôlitika miverimberina niainan' i Madagasikara hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantenany.
Indraindray dia tsy misy ny fitohizan' ny pôlitikam-panjakana noho ny fiovan' ny governemanta matetika na ny fiovan' ny fitondrana tsy amin' ny fomba demôkratka izay mampiato ny fampiharana ny pôlitikam-pampandrosoana sy manasarotra ny drafi-pampandrosoana lavitra ezaka.
Fahalemen' ny fitantanana
hanovaManimba ny fitokisan' ny olom-pirenena ny mpitondra fanjakana sy ny andrim-panjakana ny fitantanana malemy tsy afaka miady amin' ny kolikoly sy ny kiantranoantrano, sady manembantsembana ny ezaka fampandrosoana. Matetika no tsy mipetraka tsara ny masontsivana enti-manendry ny tomponandraiki-panjakana ho amin' ny fampandrosoana ny firenana: ny fanamafisana ny antoko pôlitika no atao laharam-pahamehana, hany ka mikorosy fahana ny sehatra misy an' ilay tomponandraikitra.
Manjaka koa indraindray ny fanodinkodinana ny fanampiana iraisam-pirenena izay natao hiadiana amin’ ny fahantrana, ka ny ampahany amin’ izany fanampiana izany dia lanin' ny mpitondra sy ny mpiasam-panjakana ary ny tetikasa mpanao kolikoly, hany ka mihena ny fiantraikan' ily fanampiana amin' ny mponina. Mitranga izany na eo amin' ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana ary amin' ny sehatra sôsialy maro hafa koa aza.
Misy koa ny takalom-patsa vidim-pihinanana tsy ara-dalàna izay mampanjaka ny fampiasana ny vola sy ny olona ary ny fitaovam-panjakana ho amin' ny tombontsoan' antoko, ka manimba ny fanomezana fahafaham-po ny filan' ny olom-pirenena.
Tsy ampy ny fanaraha-maso ny fampiasana ny vola sy ny fitaovam-panjakana noho ny tsy fahampian' ny rafitra fanaraha-maso mahomby sy ny tsy fampiasana ny rafitra fanaraha-maso efa misy, hany ka afaka manodinkodina volam-panjakana maro dia maroan' ny mpanao pôlitika.
Fivangongoan' ny fahefana sy fanjakan' ny tsy fitoviana
hanovaMivangongo loatra ny fahefana eo am-pelatanan' ny olona vitsivitsy ka mametra ny fandraisan' ny olom-pirenena anjara amin' ny fanapahan-kevitra ary mampirongatra ny tsy fitoviana amin' ny isam-paritra (na fari-pitantanana izany na faritra ara-jeôgrafia). Manampy izany ny fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena izay ahitana fanomezana tombony ny faritra sasany mihoatra ny hafa. Anisan' ny endrika fampivangongoana fahefana ny tsy fametrahana sy ny fanaovana saribakoly ny andrim-pitondrana eny amin' ny vondrom-paritra (kaominina sy faritra) izay anisan' ny fanalahidy ho an' ny fampandrosoana sy ho an' ny ady amin' ny fahantrana.
Famaboana fom-bahoaka sy tsy famaritana ny laharam-pahamehana
hanovaMatetika ny mpitarika ara-pôlitika no mankasitraka ny pôlitikam-pamaboana fom-bahoaka fohy ezaka, izay mampandringa ny fanavaozana ara-drafitra ilaina amin' ny ady amin' ny fahantrana. Ny kolikoly amin' ny fifidianana, anisan' izany ny fividianana ny vaton' ny mpifidy sy ny hosoka samihafa atao amin' ny fifidianana, dia nahafahan' ny kandidà, tsy dia manana fahaiza-manao amin' ny fampandrosoana, hahazo fahefana sy hampaharitra ny fitondrany.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- "Madagascar - Vue d'ensemble", www.banquemondiale.org, 03 octobre 2024, notsidihina tamin' ny 12 desambra 2024.
- "Évaluation de la pauvreté à Madagascar: Naviguer sur deux décennies de pauvreté élevée et tracer la voie du changement", www.banquemondiale.org
- "Madagascar : état des lieux de la situation politique, sociale et économique (2024)", www.grandirailleurs.org, 30 avril 2024
- "Comment Madagascar peut-il rompre le cercle vicieux de la pauvreté ?", blogs.worldbank.org, 01 mai 2023
- "Comprendre les causes de la pauvreté à Madagascar", www.carefrance.org, 2022
- "Pauvreté", www.unicef.org
- "Dynamique de la pauvreté à Madagascar de 2005 à 2013" (pdf), www.afdb.org
- "Pauvreté à Madagascar: défi public et stratégies des ménages", ilo.cornell.edu, juin 2000
- "Madagascar : 81% de la population vit sous le seuil de pauvreté", la1ere.francetvinfo.fr, 30 mai 2022
- "Extrême pauvreté, l'éternelle urgence dans le Grand Sud malgache", theconversation.com, 7 février 2024
- "À Antananarivo, la pauvreté, source de malnutrition", www.actioncontrelafaim.org, 20 juillet 2023
- "AD659: Frappés par la pauvreté, les Malgaches ont une perspective pessimiste de la direction de leur pays", www.afrobarometer.org, 26 Jun 2023
- Mireille Razafindrakoto et François Roubaud, La pauvreté en milieu urbain : dynamique, déterminants et politiques (p. 87-118), books.openedition.org
- "La pauvreté multidimensionnelle touche deux enfants sur trois à Madagascar, selon les résultats d’une analyse faite par le gouvernement de Madagascar en collaboration avec l’UNICEF", www.unicef.org, 03 novembre 2020
- "La Banque mondiale alerte sur l'augmentation de la pauvreté urbaine à Madagascar", actu.orange.mg, 22 février 2024
- "Visages de la pauvreté à Madagascar, Evaluation de la pauvreté, du genre et de l’inégalité" (pdf), documents1.worldbank.org, Avril 2014
- "Madagascar : cinquième taux de pauvreté des pays dans le monde", la1ere.francetvinfo.fr, 21 octobre 2024
- "Madagascar, pays rongé par la pauvreté, attend le renouveau", fr.africanews.com
- "Fahantrana", www.unicef.org, aout 2023
- "Ny antony mahatonga ny fahantrana eo Madagasikara (2)", www.rdb.mg, 6 avrily 2022
- "Ady amin’ny fahantrana : Azo trandrahana tsara ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fizahantany", moov.mg, 04 décembre 2023
- "Afenina sisa ny fahantrana !", www.matin.mg, 12 Décembre 2024