Hosoka amin' ny fifidianana

Ny hosoka amin' ny fifidianana dia fanitsakitsahana ny fitsipiky ny fifidianana mba hahafahana miantoka na manome tombony voka-pifidianana tadiavina ho azo. Misedra olana avokoa ny fikambanana, ny fiarahamonina na ny firenena mampiasa ny fifidianana, ary samy efa nametraka fitsipika hisorohana izany ihany koa.

Vata fandatsaham-bato mangarahara nampiasaina tao Frantsa

Mety hitranga eo amin' ny dingana tsirairay amin' ny latsa-bato ny hosoka amin' ny fifidianana: eo amin' ny fampielezan-kevitra amin' ny fifidianana; eo amin' ny fandaminana ny birao fandatsaham-bato sy ny latsa-bato (anisan' izany ny taratasin-datsabato); eo amin' ny lisi-pifidianana sy eo amin' ny fahazoana milatsaka; eo amin' ny fanisam-bato; ary eo amin' ny famoahana ny voka-pifidianana.

Noho ny fisian' ny Web2.0 sy ny tambajotran-tserasera ary ny haranitan-tsaina voatr' olombelona dia niseho ny fomba vaovao amitahana mpifidy amin' ny alalan' ny fanalam-baraka ny mpilatsaka ho fidina na ny antoko sy vondrona manohana azy, ka lasa nanjary loza mitatao lehibe amin' ny fahamarinan' ny fifidianana ny fampielezana vaovao tsy marina.

Hosoka mahakasika ny filatsahan-kofidina

hanova

Fanalam-baraka ny kandidà na ny antoko mpifanandrina

hanova

Raha feno hafetsena maloto ny fampielezan-kevitra amin' ny fifidianana eny rehetra eny, fa indrindra ny fanalam-baraka sy ny famoahana vaovao tsy marina, ny firenena tsy mbola ahafahan' ny vaovao miparitaka tsara (ohatra noho ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra na tsy fahampian' ny fivoaran' ny haino aman-jery) dia mampahomby indrindra ny fielezan' ny tsaho sy ny karazana vaovao tsy marina rehetra izay ahitana fanaratsiana ny olona, ny antoko na ny safidy pôlitikan' ny mpifanandrina.

Azo raisina ho fampielezan-kevitra tsy mitovy ireo fanodinkodinam-baovao ireo. Tsy misy fetra ny fahazoan' ny eritreritra mamorona, ny tsaho na ny fanaratsiana amin' ny zavatra tsy misy porofo dia mety momba ny ara-pitiavana sy ara-nofo (ohatra: "Ranona dia mpanitsakitsa-bady", "Ranona dia efa tsy mahavita adidy amin' ny vadiny"), momba ny vola ("Nahazo famatsiam-bola avy amin' ny firenena vahiny izy ireo"), momba ny pôlitika ("Hampanjakain' izy ireo eto amin' ny firenena ny didy jadona", "Handroba ny firenena izy ireo" na "Hatolotr' izy ireo amin' ny fahavalo ny firenena" - ary ny karazany vaovao toy ny hoe "Hatolotr' izy ireo ho an' ny mpanam-bola iraisam-pirenena ny firenena" ...), sns.

Fandavana ny filatsahan-kofidin' ny mpifanandrina

hanova

Misy ny fandrarana ny kandidàn' ny mpanohitra tsy hirotsaka, ny fandavana ny fankatoavana ny filatsahan-kofidiana, ny famerana ny faritra ahazoany manao fampielezan-kevitra, na ny fanagadrana ny mpanohitra noho ny antony samihafa tsy mitombina aza (fiampangana ho nanao kolikoly, ho nanao firaisan' ny mitovy fananahana, sns. arakaraka ny soatoavina ao amin' ilay firenena).

Hosoka mikasika ny mpifidy

hanova

Ny hosoka mikasika ny mpifidy dia mikendry ny hanesorana avy ao amin' ny lisi-pifidianana ny mpifidy izay heverina fa tsy hifidy ny olona tohanan' ny tena, na mikendry ny hanoratana ny anaran' ny olona izay tsy tokony hahazo mifidy noho ny tsy fahampian' ny taonany nefa mety hifidy ny olona tohanan' ny tena. Matetika no ampiharina miaraka ireo tetika roa ireo sady ampiasana fomba mitovy. Ankoatr' izany dia mitaky fanampiana sy firaisana tsikombakomba amin' ny manam-pahefana ao amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fomba fanatanterahana azy roa ireo.

Famindran-toerana ny mpifidy

hanova

Ny famindran-toerana ny mpifidy (ao amin' ny sehatry ny fifidianana isam-pari-pifidianana) any ivelan' ny fizaràn' ny fari-pifidianana ara-dalàna, na indraindray aza ny fizaràna ny fari-pifidianana hampandaniana ny olona tohanan' ny tena. Ireo fanodinkodinana roa ireo mantsy dia heverina fa mialoha ny latsa-bato, ka tsy mikendry mivantana ny fandatsaham-bato, koa noho izany dia tsy hosoka atao amin' ny fifidianana amin' ny hevitra hentitr' io teny io.

Amin' ny fanatanterahana ny famindran-toerana ny mpifidy, ny olona voasoratra anarana (indroa) ao amin' ny fari-pifidianana roa samy hafa dia mandeha (na mandefa solon-tena, raha azo atao ara-dalàna izany) mba hifidy any amin' ny faritra misy toeram-ponenana faharoa, fa tsy mamita ny adidiny amin' ny maha mpifidy azy ao amin' ny biraom-pifidianan' ny toeram-ponenany mahazatra, izany hoe ny toerana ipetrahany.

Fandatsaham-bato miverimberina

hanova

Fandatsaham-bato imbetsaka atao amin' ny toerana maromaro (birao, fari-pifidianana) aorian' ny fisoratana anarana hosoka amin' ny lisi-pifidianana samihafa ny fandatsaham-bato miverimberina.

Tsy fampahafantarana ny tena isan' ny vato manan-kery

hanova

Ity fepetra ity dia manakana ny fahafantatra amin' ny farany ny isan-jaton' ny vato manan-kery raha oharina amin' ny isan' ny mpifidy nisoratra anarana.

Fikendrena ny tsy hahabetsaka ny mpisoratra anarana vaovao

hanova

Misy koa ny fomba atao mba tsy hahabetsaka ny mpisoratra anarana vaovao amin' ny alalan' ny fametrahana fe-potoana fohy amin' ny fisoratana anarana amin' ny lisi-pifidianana, ao amin' ny toeram-pisoratana anarana tokana na lavitra, na amin' ny alalan' ny fomba fisoratana anarana nohasarotina. Mazava ho azy fa mampihena ny isan' ny mpifidy vaovao io fepetra io, izany hoe olona nosivanina sy nokendrena ary nofantenana no afaka hisoratra anarana.

Fanovana ny didy aman-dalàna momba ny zom-pirenena

hanova

Indraindray koa dia ovana ny fitsipika momba ny zom-pirenena mba hanilihana ny olona tokony hifidy, noho ny firehana ara-pôlitika na ara-pivavahana na ara-poko, na ara-tsôsialy, na noho ny faharesen-dahatrany, ny zavatra takiany na ny safidiny ara-pôlitika;

Fifidianan' ny olona tsy tonga

hanova

Ny latsa-bato ataon' ny olona tsy tonga dia fandatsaham-bato ataon' ny mpifidy (araka ny safidiny, na noho ny faneriterena na noho ny antony hafa) izay heverina fa tsy maniry na tsy afaka mamita ny adidiny amin' ny fifidianana, ary mety tsy handeha hijery sy hanamarina ny fampifangaroana na ny fahadisoana na ny hosoka nanatanterahana izany. Mazava ho azy fa ahitana olona antitra, olona kilemaina, olona marary, olona miankin-doha, ary na ny olona efa maty aza, ny sokajin' olona toy izany.

Mba hanatanterahana izany dia mampiasa taratasy fisoloan-tena tsy ara-dalàna (ankoatra ny zavatra hafa) ny mpanao hosoka. Tsy maintsy mahazo antoka anefa ny mpanao hosoka fa tsy hiverina hifidy ireo mpifidy ireo. Fanampin' izany, izay tsy toy ny famenoana vatam-pifidianana (izay azo heverina ho karazan' io fa misy fiantraikany lehibe kokoa amin' ny isam-bato), dia toa tsy atahorana loatra hiteraka fitomboana tsy mahazatra eo amin' ny isan' ny vato nalatsaka io hosoka io satria mbola mifandray amin' ny olona tena mpifidy ilay latsa-bato (izany hoe olona izay mbola hita ao amin' ny lisi-pifidianana ny anarany) koa noho izany dia mbola anisan' ny mpifidy.

Fampitahorana sy fandrahonana ny mpifidy

hanova

Ny fampitahorana ny mpifidy dia fanerena ny mpifidy na ny vondrona mpifidy mba hifidy amin' ny fomba manokana, na tsy handeha hifidy. Mety ho mora atao kokoa ny fampitahorana amin' ny olona tsy tonga sy amin' ny fifidianana lavitra satria tsy manana fiarovana sy ny fitandroana ny tsiambaratelo ao amin' ny toerana fandatsaham-bato ny mpifidy. Ny fampitahorana dia mety manana endrika isan-karazany ka ao anatin' izany ny fampitahorana am-bava, ara-batana, na ny fanerena.

Amin' ny endriny tsotra indrindra, ny mpifidy avy amin' ny sokajin' olona manokana na fantatra fa manohana antoko na kandidà iray dia mahazo fandrahonana mivantana avy amin' ny mpanohana antoko na kandidà hafa na avy amin' ny olona nokaramain' izy ireo. Amin' ny tranga hafa, ny mpanohana ny antoko iray dia mampahafantatra fa raha misy tanàna na vohitra iray hita fa diso safidy, dia hisy valifaty ho an' io tanàna na vohitra io. Ny fomba iray hafa dia ny fanaovana herisetra amin' ny olona rehetra, ohatra, ny fandrahonana handatsaka baomba izay mahatonga fanakatonana toerana fandatsaham-bato, ka mahatonga ny olona ao amin' io faritra io tsy hifidy. Ny toerana fandatsaham-bato ao amin' ny faritra fantatra fa manohana antoko na kandidà iray dia mety ho lasibatra amin' ny fanimbana, fanapotehana na fandrahonana, ka manasarotra na misakana ny fandraisana anjaran' ny mponina ao amin' io faritra io amin' ny fifidianana.

Amin' ity tranga ity, ny mpifidy dia atao izay hinoany fa tsy manan-jo ara-dalàna hifidy izy ireo, na teren' ny lalàna hifidy amin' ny fomba manokana. Ireo mpifidy izay tsy matoky tena amin' ny fananany zo hifidy dia mety ho hampitahorin' ny olona manana fahefana mivantana na an-kolaka izay manoro hevitra fa ireo izay mifidy nefa tsy manan-jo amin' izany dia hogadraina, horoahina na hosazina amin' ny fomba hafa.

Ny mpampiasa dia mety manery ny fanapahan-kevitry ny mpifidy, amin' ny alalan' ny paikady toy ny fandrahonana mazava na an-kolaka ny mety hahaverezan' ny asa.

Fividianana safidy

hanova

Ny fividianana vato dia mitranga rehefa misy antoko pôlitika na kandidà mividy ny safidim-bahoaka amin' ny fifidianana. Ny fividianana vato dia amin' ny endrika isan-karazany toy ny fanakalozana ny safidy amin' ny vola na entana na serivisy ilaina.

Fandatsaham-bato ataon' ny vahiny

hanova

Anisan' ny hosoka amin' ny fifidianana ny fampisirana ny teratany vahiny ao anaty lisitry ny ny mpifidy sy ny latsa-bato tsy ara-dalàna ataon' ny teratany vahiny ao amin' ny firenena anaovana fifidianana.

Hosoka momba ny fampielezan-kevitra

hanova

Fampielezan-kevitra tsy mifandanja

hanova

Rehefa manam-pahefana amin' ny ny haino aman-jery na tambajotran-tserasera sasany na mifehy izany rehetra izany ny iray amin' ny antoko mandray anjara, dia mora ho azy ireo ny mifehy ny lahateny sy ny mametra na manakana mihitsy aza ny fampielezan-kevitra tokony hataon' ny antoko mpifanandrina amin' ny fifidianana. Izany no fitaovana môderina mahomby indrindra, satria manaja amin' ny endriny ivelany ny fitsipiky ny fifidianana ary, noho ny tondro manan-danja sy eken' ny rehetra (izay tsy voatery hisy) dia sarotra ny manaporofo ny fisian' izany. Maro ny endrika mety hisahoan' izany.

Manana ny ankamaroan' ny haino aman-jery ny ankolafy iray na ny mpanohana azy: fahefana ankapobeny ananan' ny tompon' ny fanaovan-gazety lehibe; ampihimamba ataon' ny fanjakana amin' ny fahitalavitra sy ny fampielezam-peo; ny fivangongoan' ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra eo am-pelatanan' ny vondrona ara-bola sy ny sampany rehetra na eo am-pelatanan' ny mpanohana ara-pôlitika.

Manome fahafahana tsy mitovy amin' ny fampiasana fitaovana fampielezan-kevitra ny teti-bolan' ny fampielezan-kevitra amin' ny fifidianana, raha tsy voafehy na voafetra, nefa tsy ho azo ampangaina ho manao hosoka.

Mampiasa ny toerana hatao birao fandatsaham-bato ny mpanohana mba hanaovany fivoriana iray andro alohan' ny fifidianana, ary mametraka zavatra momba ny fampielezan-kevitra misy filazana toy ny hoe "Izaho mifidy an-dRanona" eny rehetra eny ho an' ny olona tohanany, eny fa na dia amin' ny fampirantiana ivelany ao amin' ny tranobe heverina hampitovy ny mpifaninana aza. Ao koa ny fanesorana na fanimbana ny peta-drindrin' ny mpifaninana.

Ny fampiasana mahery vaika, izay mety miafina, ny tambajotran-tserasera (amin' ny alalan' ny bôty, na algôritma hanaovna fanadihadiana ny mombamomba ny olona sy ny fanaovana lasibatra manokana) dia mety hanome lanja tsy tena izy fa namboamboarina ho an' ny vondrona mpanao tsindry mba hiarovan-tombontsoa, izay mety ho vondron' orinasa na ara-pôlitika na ara-pivavahana.

Ny fandisoana vaovao

hanova

Noho ny fisandratan' ny Web2.0, ny tambajotran-tserasera sy ny haranitan-tsaina voatr' olombelona, dia nipoitra ny fitaovana vaovao sy mahery vaika ahafahana mikendry sy manova zotra ny fifidianana. Ahafahan' ny vondrona pôlitika mamitaka ny mpifidy ireo fitaovana ireo, amin' ny alalan' ny fampielezana vaovao diso (mivelatra na mifantoka, mety mifototra amin' ny angon-drakitra momba ny olona kendrena izay azo amin' ny fomba tsy ara-dalàna, ary ampiasaina amin' ny alalan' ny fanampian' ny haranitan-tsaina voatr' olombelona).

Hosoka momba ny fikarakarana ao amin' ny biraom-pifidianana

hanova

Fampidirana taratasin-datsabato amin' ny fomba tsy ara-dalàna

hanova

Tanterahina amin' ny alalan' ny fampidirana taratasin-datsa-bato fanampiny amin' ny fomba tsy ara-dalàna ao anatin' ny vata fandatsaham-bato ity hosoka ity. Manampy ny vato azon' ny lisitra na ny mpilatsaka hofidiana ankasitrahin' ny tena ireo vato fanampiny ireo. Matetika dia taratasin-datsabato maro dia maro no ampidirina ao anaty vata fandatsaham-bato. Mety hatao alohan' ny fisokafan' ny biraom-pifidianana izany, na mandritra ny latsa-bato, na aorian' ny latsa-bato.

Fanimbana ny taratasin-datsabato

hanova

Mandritra ny fanisam-bato dia mampiasa tsinaim-penisilihazo na zavatra fanoratana hafa afenina ao ambanin' ny tanana na hoho ny mpanao hosoka ka manoritsoritra na mandoto ny taratasin-datsabaton' ny kandidà na ny lisitra mpifanandrina mba tsy hampanan-kery an' izany taratasin-datsabato izany. Mety hitranga koa ny tsy fanomezana afa-tsy biletà voaloto na efa simba na mora simba ny antoko tsy tian' ny tena, mba hisaina ho tsy manan-kery araka ny fitsipiky ny fifidianana.

Fikojakojana tsy araka ny tokony ho izy ny milina fandatsaham-bato

hanova

Any amin' ny firenena mandroso ara-teknôlôjia dia misy koa ny fikojakojana ny milina elektrônika fandatsaham-bato. Sarotra porofoina ity hosoka ity: resahina ny anjara sy ny vintan-dratsy, indrindra fa miantraika amin' ny mpifaninana rehetra tsy an-kanavaka ity olana ity.

Latsa-bato ampahibemaso

hanova

Ao anatin' ny toe-javatra feno teritery (misy jadona na tsia), ny latsa-bato ampahibemaso dia manome vokatra mifanaraka amin' izay heverin' ny besinimaro fa tokony ho latsa-bato "marina" amin' ny fomba fijerin' ny mpitondra. Amin' ny fepetra toy izany, ny fifidianana amin' ny alalan' ny tsangan-tanana na teknika hafa mitovitovy amin' izany dia miantoka ny fahazoana maro anisa ahazoa-miaina tsara.

Na dia ao anatin' ny fifidianana demôkratika kokoa, izay tsy misy fanerena mivantana ny mpifidy, dia mety hihevitra ny olona sasany ao amin' ilay vondrom-piarahamonina fa ara-drariny kokoa ny mifidy ny antoko izay azo inoana fa handresy, raha tsy te hidiran-doza amin' ny fanasaziana iombonana (fahaverezan' ny tombontsoa toy ny fanamaivana-ketra manokana na fanampiana). Raha ny tena izy dia tsy azo ihodivirana sy ara-dalàna io tranga io (izany hoe tsy hosoka). Azo trandrahina amin' ny alalan' ny fandrahonana somary sarontsaromana indraindray izany ka azo heverina ho hosoka.

Firaketana an-tsoratra diso

hanova

Ny latsa-bato dia mety tsy ho voarakitra an-tsoratra tsara hatreny ifotony, momba ny taratasin-datsa-bato na milina fandatsaham-bato, na aorian' ny latsa-bato amin' ny totalim-bato diso. Izany dia matetika amin' ny alalan' ny fampiasana fitaovana tsy eken' ny lalàna (ohatra ny ranoka fanitsiana) sy amin' ny alalan' ny antontan-taratasy dika mitovy (fitanana an-tsoratra), tsy voamarina sady tsy misy sonia.

Raha voarakitra an-tsoratra amin' ny alalan' ny fitaovana elektrônika na mekanika ny vato, dia mety misy manova ny firaketana natan' ny milina fandatsaham-bato ka ny vato azon' ny kandidà iray dia voarakitra an-tsoratra ho an' ny iray hafa. Mety mitranga koa ny fandikana indroa na fahaverezan' ny voka-pifidianana elektrônika, ary mahalana ny porofo hahafantarana raha hosoka na fahadisoana no antony.

Hosoka momba ny fanambàrana ny voka-pifidianana

hanova

Ny fanambaràna ampaham-boka-pifidianana tsy marina

hanova

Matetika no tanterahina any amin' ny toerana maro ny latsa-bato. Noho izany dia ampy ho an' ny mpanao hosoka, raha toa ka tsy mandeha tsara ny fampielezam-baovao, ny minia mandiso ny totaly sady tsy kasihiny ny vokatra manelanelany izay mety hahafahany mahita ny tena marina.

Zava-dehibe noho izany ny tokony hitandremana amin' ny mety hisian' ny fotoana lava eo anelanelan' ny fiafaran’ ny latsa-bato sy ny fanambaràna ny voka-pifidianana, toraka izany koa ny fampiangonana tafahoatra ny voka-pifidianana ho amin' ny toerana iray aloha, izay mitaky fitaterana ny vato voaisa sy ny antontan-taratasim-pifidianana avy any amin' ny toerana lavitra maro. Fotoana anararaotan' ny mpanao hosoka ny asa ratsiny ny fitaterana satria ahafahany mampanjavona ny ampahany amin' ny vatom-pifidianana. Atao io fampanjavonana io noho ny fahafantarana ny voka-pifidianana nivoaka mialoha any amin' ny faritra hafa.

Voka-pifidianana farany namboamboarina

hanova

Amin' ny fitondrana mpanao kolikoly izay mialokaloka eo ambanin' ny demôkrasia sandoka dia matetika sarintsariny fotsiny ny fanaovana latsa-bato, hany ka manambara fotsiny izay voka-pifidianana mety aminy ny tompon' andraikitra, indraindray tsy misy firaharaha ny vokatry ny fanisam-bato akory. Mety hiteraka fanamelohana iraisam-pirenena ho an' ny firenena ny fanao toy izany nefa mazàna no tsy misy azony atao firy ny mpifidy, satria zara raha misy fomba ahafaha-manaisotra ny mpandresy an-kosoka eo amin' ny fitondrana, afa-tsy amin' ny alalan' ny hetsi-bahoaka sy ny fanonganam-panjakana.

Jereo koa

hanova