Firenena tsy mandroso indrindra

Ny firenena tsy mandroso indrindra dia firenena tsy mandroso indrindra ara-tsôsialy sy ara-toekarena eto an-tany, izay mamorona sokajy noforonin' ny Firenena Mikambana tamin' ny taona 1971. Tamin' ny 11 Desambra 2024 dia firenena 45 no tafiditra amin' ity sokajy ity; ka aty Afrika ny ankamaroany.

Firenena tsy mandroso indrindra (miloko mena)firenena tsy mandroso indrindra taloha (miloko mavo)

Mason-tsivana

hanova

Araka ny famaritana nataony tamin' ny taona 2003, ny Filankevitry ara-Toekarena sy aa-tSôsialin' ny Firenena Mikambana dia nitazona fepetra telo hamaritana ny lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra :

  1. fidiram-bola isan' olona, ​​mifototra amin' ny tombantomban' ny salan-karin-karena faobe isaky ny mponina ao nandritra ny telo taona; raha latsaky ny $1 088 (tamin' ny 2024), dia voafantina ho anisan' ny firenena tsy mandroso indrindra ilay firenena (ambony noho io ny tokonana hialana amin' ity sokajy ity);
  2. fahatarana eo amin' ny fampandrosoana ny maha olona, ​​mifototra amin' ny tondro mitambatra ahitana ny tondro ara-pahasalamana sy ara-tsakafo ary ara-panabeazana;
  3. "faharefoana ara-toekarena", mifototra amin' ny tondro mitambatra ahitana ny tondro momba ny tsy fahamarinan-toerana sy ny tondro momba ny famokarana ary ny tondro momba ny fanondranana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny tondro momba ny tsy fisian' ny fanamaroana ny karazana famokarana, ary ny tondro momba ny kileman' ny maha firenena madinika.

Raha ampiharina ireo fepetra ireo, dia nisy firenena tsy mandroso indrindra 45 nanomboka tamin' ny taona 2017: 33 aty Afrika, 8 any Azia, 3 any Ôseania ary 1 any Amerika (Antilia). Niisa 25 izy ireo rehefa niforona ilay sokajy tamin’ ny taona 1971, anisan' izany i Sikkim, izay lasa fanjakana indiana tatỳ aoriana.

Firenena fito no niala avy ao amin' ny vondron' ny firenena tsy mandroso indrindra noho ny fitomboan' ny toekarenany: i Bôtsoana tamin' ny taona 1994, i Kapvera tamin' ny taona 2007, i Maldiva tamin' ny taona 2011, i Samôa tamin' ny taona 2014, i Ginea Ekoatôrialy tamin' ny taona 2017, i Vanoato tamin' ny taona 2020, ary i Botàna tamin' ny taona 2023. Tamin' ny taona 2010 i Samôa dia heverina ho tao anatin' ny tetezamita hiala amin' ilay vondrona ao anatin' ny telo taona nefa ny tsonamy izay niteraka fahavoazana lehibe tao aminy dia manemotra ny fandrosoan' ilay firenena; nandao ny lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra ilay firenena tamin' ny 1 Janoary 2014.

Firenena dimy hafa no andrasana handao ny sokajin' ny firenena tsy mandroso indrindra amin' ny taona vitsivitsy ireto: i Saô Tôme e Prinsipe amin' ny 13 Desambra 2024, i Bangladesy sy i Laôsy ary Nepaly amin' ny 24 Nôvambra 2026, ary ny Nosy Sôlômôna amin' ny 13 Desambra 2027. Firenena sivy no mety hanaraka, amin' ny 2027 raha haingana indrindra: i Birmania, i Kambôdza, i Kômôro, i Jiboty, i Kiribaty, i Senegaly, i Timôro Atsinanana, i Tovalo ary i Zambia, ary ny momba ireto firenena telo hafa ireto dia hodinihina amin' ny taona 2027: i Ogandà sy i Roanda ary i Tanzania. Tamin' ny voalohany dia tokony hiala tao amin' ny sokajin' ny firenena tsy mandroso indrindra i Angôla tamin' ny taona 2021 ary avy eo tamin' ny taona 2024, saingy nahemotra amin' ny fotoana tsy voafaritra ho amin' ny Desambra 2023 ny fivoahany.

Firenena tsy mandroso indrindra miisa 35 no mpikambana ao amin' ny Fikambanana eran-Tany momba ny Varotra (anglisy: World Trade Organization). Firenena efatra hafa (Kômoro, Etiôpia, Saô Tôme e Prinsipe ary Sodàna) no mifampiraharaha ny fidirany ao amin' ny Fikambanana eran-Tany momba ny Varotra ary manana sata mpijery amin' izao fotoana izao. Mbola misy firenena enina tsy misy ifandraisany amin' io fikambanana io (Eritrea, Kiribaty, Sômalia, Sodàna Atsimo, Timôro Atsinanana ary Tovalo).

Lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra

hanova

Lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra ankehitriny

hanova

Tamin' ny Desambra 2023, ny lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra dia ahitana firenena 45, voasokajy eto araka ny kôntinenta misy azy. Eto dia marihina amin' ny kintana (*) ny firenena kasaina havoaka avy ao amin' io sokajy io amin' ny taona vitsivitsy ho avy. Marihina amin' ny baraingo mihantona (?) ny firenena kasaina ny fandinihana ny famoahana azy.

  • Firenena tsy mandroso indrindra ao Amerika, miisa 1 : Haity

Lisitry ny firenena tsy mandroso indrindra taloha

hanova

Firenena enina no nandao ny lisitry ny firenena tsy mandroso:

Jereo koa

hanova