Ejipta Antenatenany

I Ejipta Antenatenany na Egipta Antenatenany dia ny tapany afovoan' i Ejipta izay hita andaniny sy ankilany amin' ny ony Nily na Neily, izay mivelatra hatrany amin' ny tanànan' i Qena (Denderah), sy manodidina an' i Assiout, ka hatrany atsimon' i Fayum, sy ny tanànan' i Beni Suef.

Sarin-tany maneho ireo faritra telo any Ejipta

Tsy nizara an' i Ejipta mihoatra ny roa (Ejipta Ambany sy Ejipta Ambony) ny Egiptiana taloha. Ny hoe "Ejipta Antenatenany" dia niforona tamin' izao andro môderna izao, ka manondro ny tapany avaratra amin' i Ejipta Ambony tamin' ny Andro Taloha. Araka izany, i Ejipta Ambony ankehitriny dia ny tapany atsimo amin' i Ejipta Ambony tamin' ny Andro Taloha.

Ny tanànan' i Qift (nantsoina hoe Coptos tamin' ny Andro Taloha) dia mifanandrifindrify amin' ny efitra manasaraka an' i Ejipta Antenatenany amin' i Ejipta Ambony. Indraindray ny faritra ao atsion' i Ejipta Antenatenanhy dia ampidirana koa ny faritra hatrany Luksor. Niangona hatrany Assiout ka hatrany an-dranomasina ny antsanga, satria nisy hoala izay nidina hatrao tany aloha.

Faritra be honahona i Ejipta Antenatenany izay ao amin' ny velaran-tany lavalava eo anelanelan' i Nily sy ireo sampany iray, dia i Bahr Youssouf izay mamatsy rano ny farihy Moeris ao amin' ny ôazisin' i Fayum. Nandritra ny Andro Taloha dia faritra nifaninanan' i Ejipta Ambony sy i Ejipta Ambany io faritra io noho izany toetra mampiavaka azy izany, nandritra ireo vanimpotoana tsy nampitambatra an' i Ejipta, izany hoe nandritra ny Vanimpotoana anelanelany voalohany sy faharoa ary fahatelo.

Ny tanànan' ny fivavahana tao Ejipta Antenatenany dia i Abydos sy i Hermopolis. Tsy dia azo lazaina ho nanana renivohitra io faritra io, afa-tsy i Amarna angamba, nandritra ny folo taona latsaka kely, tao akaikin' i Hermopolis.

I Beni Hassan no toera-manan-tantara manan-danja indrindra ao. Maro ny olo-malaza tamin' ny Empira Antenatenany milevina ao. Ny zava-mahafinaritra indrindra ao Ejipta Antenatenany dia ny tempolin' i Sety I ao Abydos.

Jereo koa hanova