I Ejipta Ambony na Egipta Ambony dia ny tapany atsimo amin' i Ejipta. Ambony haavo kokoa io faritra io raha mitaha amin' ny faritra hafa any Ejipta, ka izany no nahatonga ilay anarana. Atao hoe صعيد مصر / es-Ṣeʿīd na الصعيد / es-Ṣaʿīd ity faritra ity amin' ny teny arabo. Nantsoin' i Ejiptiana tamin' ny Andro Taloha hoe Ta Shémau izy. Any amin' ny faritr' i Ejipta mantsy dia ahitana koa an' i Ejipta Antenatenany sy i Ejipta Ambany (ataon' ny Ejiptana taloha hoe Ta Mehu). I Ejipta Ambony dia tandrify ny tapany atsimo amin' i Ejipta ankehitriny, ao amin' ny faritr' i Aphroditopolis (ao atsimon' i Memfisy) hatrany amin' ny tohadrano ambony ao Assouan, ao akaikin' ny katarakta voalohany, izany hoe ao amin' ny sisin-tany varatr' i Nobia Ambany.

Tantara hanova

I Ejipta Ambony, miaraka amin' i Ejipta Ambany, dia iray amin' ireo faritra roa nitambatra ka namorona an' i Ejipta tamin' ny Andro Taloha. Ireo faritra ireo dia tsy dia ahitana akora fototra toy ny hazo sy ny varahina ary ny firapotsy izay ilaina amin' ny fanamboarana ny alimo. Na izany aza dia ahitana volamena betsaka i Ejipta Ambony sady nifehy ireo lalana mankany Nobia amin' ny alalan' ny ony Nily, sy mankany Saharà amin' ny alalan' ny lalana any Abou Ballas, ary mankany amin' ny Ranomasina Mena amin' ny alalan' i Ouadi Hammamat izay mamakivaky ny Taniefitr' i Arabia. I Ejipta Ambany kosa dia mora mandray famatsiana mankany Ampiposahana, izay andalovan' ny akora fototra ilaina ao amin' i reo faritra roa tany Ejipta ireo. Tsy maitsy niara-niasa noho izany ireo faritra roa ireo.

Tany Ejipta Ambony, indrindra tao amin' ny tanànan' i Abydos, no teraka ny fanjakà-panjakan' i Empira Voalohany, izay nanambatra voalohany ireo faritra roa ireo. Tao Ejipta Ambony ihany koa, indrindra tany Tebay (Thebes) no nipoiran' ireo dinastia izay namarana ny Vanimpotoana anelanelany voalohany sy namarana ny Vanipotoana anelanelany faharoa ka nanorina ny Empira Antanatenany sy ny Empira Vaovao. Nandritra ny fotoana nampisy fitoniana ara-pôlitika dia namindra mandrakariva ny renivohiny haingana avy any Ejipta Ambony mankany Ejipta Ambany ny fahafam-panjakana; i Memphis nandritra ny Empira Voalohany, i Itchtaouy nandritra ny Empira Antenatenany, i Memfisy sy i Pi-Ramsesy nandritra ny Empira Vaovao.

Nanandrana nandraikitra ny renivohitra tao Aketatôna tao Ejipta Antenatenany (eo anelanelan' i Memfisy sy i Tebay) ny faraôna Akenatôna nandritra ny fitondrany, nefa izany ezaka izany dia tsy naharitra.

Jereo koa hanova