Vanimpotoana anelanelany faharoa tany Ejipta

Ny vanimpotoana anelanelany faharoa tany Ejipta tamin' ny Andro Taloha dia nanomboka tamin’ ny taona 1781 tal. J.K. ka niafara tamin’ ny taona 1550 tal. J.K. ary nahitana dinastia dimy, dia ny dinastia faha-13 hatramin’ ny faha-17.

Ny toe-draharaha ara-pôlitika tany Ejipta nandritra ny vanim-potoan' ny Hiksos tany am-boalohany (1650-1590 tal. J.K.) teo amin' ny vanim-potoana anelanelany faharoa (taona 1800-1550 tal. J.K.).

Ny fiorenam-ponenan' ny Hiksôsy hanova

Tamin’ ny fiandohan’ny taonarivo faha-2 dia nangozohozo ny firaisan’ i Ejipta noho ny firohotry ny vahoaka semita avy any amin’ny faritra afovoan’ i Azia izay nitsoaka noho ny fananiham-bohitra nataon’ ny Indô-eorôpeana tao amin’io faritra io. Ireo Semita tonga tao Ejipta ireo no atao hoe Hiksôsy. Ireo Hiksôsy ireo dia niorim-poneana tao avaratra atsinanan’ ny Vinanin' i Nily. Nanararaotra ny fihalemen’ ny fahefan’ ireo faraôna tamin’ny dinastia faha-13 hatramin’ ny faha-14 izy ireo mba haka an’ i Ejipta Ambany. Nahay niady ara-tafika izy ireo sady nitondra soavaly sy kalesin-tsoavaly tany Ejipta. Nisy ny vanimpotoana anelanelany faharoa izay nanomboka tamin’ ny taona 1781 tal. J.K. tamin’ i Avarisy, izay ivon’ny herin’ ny Hiksôsy, dia lasa renivohitra tamin’ ny dinastia faha-15 vahiny. Ireo mpanjaka hiksôsy dia nandray ny fomba amam-panaon’ny Ejipsiana, nivavaka tamin’ ireo andriamanitra Seta sy Ra (na Re) ary naka tahaka ny fomban’ ny faraôna ejipsiana.

Ny fanoherana avy ao Tebay hanova

Ny faritra atsimon’ i Ejipta dia nanohitra ny fidiran’ ny Hiksôsy. Ny andriandahy tao Tebay izay nifehy ny farirta eo anelanelan’ i Elefantina sy Abidôsy, dia nanao izay hanafahana zany faritra izany. I Kamosisy dia nandresy ny Hiksôsy, ary  i Amôsisy rahalahiny no nandroaka azy ireo sady nampiray indray an’ i Ejipta. Nopotehiny daholo ireo sisa navelan’ny kolontsaina hiksôsy ka izany no tsy ahafantarana loatra ny momba ity vanimpotoana anelanelany faharoa ity.

Jereo koa hanova