Vanimpotoana anelanelany voalohany tany Ejipta
Ny vanimpotoana anelanelany voalohany tany Ejipta tamin' ny Andro Taloha dia nanomboka tamin' ny taona 2152 tal. J.K. ka niafara tamin' ny taona 2065 tal. J.K. ary nahitana dinastia dimy, dia ny dinastia faha-7 hatramin' ny faha-11.
Ny fikorontanan' ny dinastia nifandimby
hanovaNy dinastia faha-7 dia nanamarika ny fiandohan' ny Vanimpotoana anelanelany voalohany izay nanomboka tamin' ny taona 2152 tal. J.K. hatramin’ ny taona 2065 tal. J.K. Nitondra faisana noho ny fanafihana sy fandrobana madinidinika avy any ivelany i Ejipta ka nizarazara ary nisy ny mosary sady nihamaro ny hetsi-pikomiana. Izany dia nifandraika tamin' ny fielezan' ny fivavahana amin' i Ôsirisy izay nahatonga ny hetahetan' ny vahoaka hanana ny tsy feteza-matin' ny fanahy.
I Herakleôpôlisy nifaninana tamin' i Teba
hanovaNanomboka tamin' ny dinastia faha-9 dia maro ny dinastia niara-nanapaka sady samy nikatsaka ny hamerina indray ny firaisan’ i Ejipta ho amin' ny tombontsoany. Ny dinastia faha-9 sy faha-10 izay atao hoe "herakleôpôlitàna" dia nifehy avy ao Herakleôpôlisy ny roa ampahatelon' i Ejipta tamin’ izay, fa ny dinastia faha-11 kosa izay, mpiantafika kokoa, dia niorina tao Teba tao Ejipta Ambony. Avy amin’ ity dinastia faha-11 ity no nipoiran’ ny Empira Antenatenany.
Jereo koa
hanova- Empira Voalohany tao Ejipta tamin' ny Andro Taloha
- Vanimpotoana anelanelany voalohany tany Ejipta
- Empira Antenatenany tany Ejipta
- Vanimpotoana anelanelany faharoa tany Ejipta
- Empira Vaovao tany Ejipta
- Vanimpotoana anelanelany fahatelo tany Ejipta
- Vanimpotoana Farany tany Ejipta taloha
- Fianakavia-mpanjaka lagida
- Vanimpotoana rômana tany Ejipta
- Tantaran' i Ejipta Taloha