I Ejipta Ambany na Egipta Ambany dia faritra ao amin' ny tapany avaratra amin' i Ejipta. Lazaina hoe "ambany" izy satria ao amin' ny faritra misy ny Vinanin' i Nily izay saika mitovy haambo amin' ny ranomasina, sady ahitana honahona maro ary amoron-dranomasina.

I Ejipta tamin' ny andron' ireo faraôna dia nanao an' io faritra io hoe Ta Mehu raha nantsoina hoe Ta Shemau kosa i Ejipta Ambony any avaratra kokoa. Ilay antsoina hoe Ejipta Antenatenany kosa dia ny tapany ao amin' ny faritr' i Ejipta Ambony avy ao amin' ny Bilok' i Qena hatrany amin' ny tanànan' i Kahiro. Ny vohon' ny tanin' i Ejipta Ambany dia tsy misy fikitoantoanana firy. Mivelatra avy any amin' ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteranea ao amin' ny Vinanin' i Nily, ka hatrany amin' ny faritr' i Fayum sy i Kahiro.

Jereo koa hanova