Ny mpisorona dia mpitondra fivavahana ao amin'ny fivavahan'ny Israelita fahiny sy ny Jiosy izay natokana hanatanteraka ny fanompoana ao amin'ny Tempoly ka olona nofidina avy amin'ny fokon'i Levy taranak'i Aarona izy ireo raha hatao mpisoronabe fa avy amin'ny fokon'i Levy tsy taranak'i Aarona kosa raha hatao mpisorona madinika. Izy ireo no misahana ny fanaovana sorona, ny fampianarana ny Lalàn'i Mosesy amin'ny vahoaka, ny fandaminana ny fotoam-pivavanana ao amin'ny Tempolin'i Jerosalema ary ny fitsofan-drano ny vahoaka. Rehefa rava ny Tempoly Faharoa sy i Jerosalema tamin'ny taona 70 taor. J.K. dia tsy nisy intsony ny mpisorona sy ny asam-pisoronana eo amin'ny fivavahana jiosy.

Amin'ny teny hebreo dia atao hoe כהן / kohen ny mpisorona, ka ny mpisorombe dia atao hoe כהן גדול / kohen gadol.

I Levy sy ny fokon'i Levy hanova

I Levy no raibe mpanorina ny fokon'i Levy. Zanaka lahy fahatelon'i Jakoba izy. I Lea no anaran-dreniny (Gen. 29.31-34). I Levy no rain'i Iokebeda (vehivavy) izay niteraka an'i Miriama sy i Mosesy ary i Arona tamin’i Amrama (zafin'i Levy).

Tsy nanana anjara tany ho azy manokana ny Levita fa niparitaka tamin’ny tanana miisa 48 miaraka amin’ireo foko sisa ao amin’ny Zanak’i Israely. Tsy nanao afa-tsy ny asa fanompoana ao amin'ny Tempoly izy ireo. Noho izany dia nanome ny ampahafolon-karenany azy ny sisa amin'ny Israelita mba hivelomany sy hanamboarana na hanarenana ny Tempoly.