Vanimpotoana rômana tany Ejipta

Ny vanimpotoana rômana tany Ejipta dia nanomboka tamin' ny taona 30 tal. J.K. ary nifarana tamin' ny taona 642/641 tal. J.K. Nitoetra ho faritany rômana i Ejipta nandritra ny taonjato fito eo ho eo. Nitovitovy tamin' ny fitantanana ny raharaham-panjakana manerana an' i Ejipta tamin' ny andron' ny Lagida ny zava-nisy tamin' izay. Nanahy ny hivadihan' ny governoran' ny faritany ho lasa faraôna vaovao anefa i Aogosto ka nalain' ny emperora ho eo ambany fiahian' ny tenany mivantana ny faritanin' i Ejipta.

Ny faritany rômanan' i Ejipta

Nandritra ny vanimpotoana rômana dia azo lazaina fa niaina tanatin' ny fandriam-pahalemana i Ejipta. Tsy dia nanafika firy an' i Asoàna (Assouan) ao amin' ny sisintaniny atsimo ny Etiôpiana. I Aleksandria, izay anisan' ny tanan-dehibe tao amin' ny Empira Rômana, dia ivontoeran' ny raharaham-barotra izay tena nandroso nifanaovany tamin' i India sy ny Saikanosin' i Arabia ary ny firenena maro tao amin' ny faritra manodidna an' i Mediteranea. Tsy dia tafiditra tao amin' ny vahoaka ejipsiana, izay nandray ny kolontsaina helenistika tamin' ny andron' ny dinastian' ny Ptôlemaiôsy, ny kolontsaina rômana. Tsy varay ho anisan' ny olom-pirenena rômana rahateo ny vahoaka ejipsiana raha tsy tamin' ny andron' ny emperora Karakala (Caracalla) tamin' ny taona 212 taor. J.K.

Niaro ny fivavahana ejipsiana taloha ny emperora rômana mba hitandroany ny fihavanana amin' ny mpitondra fivavahana, ka nanohy ny fanamboarana sy ny fanaingoana ny tempoly izay efa natomboky ny Ptôlemaiôsy, ary ireo emperora ireo dia nampanokitra ny anarany tamin' ny vato sahala amin' ny nataon' ny faraôna taloha. Ny fivavahana egiptiana tamin' ny andriamanitra Isisy sy Serapisy dia niely tamin' ny tontolo grika-rômana. Nandroso koa ny fivavahana kristiana tamin' izany fotoana izany, izay nahazo ny fianakaviambe jiosy tao Aleksandria izay nifindra monina tao tamin' ny fikomiana roa nifanesy nanoheran' ny Jiosy ny Rômana tao Palestina (taona 66 sy 117 taor. J.K.). Niely haingana tao amin' ny mponin' i Ejipta ny krisitanisma, ka nisy ny fanoherana ny fiveloman' ny Rômana tamin' ny hatsembohan' izy ireo. Niroborobo teo amin' ny fivavahana kristiana ny fiteny kôpta izay endriky ny fiteny ejipsiana taty aoriana.

Jereo koa hanova