Ny tobim-pifohazana na toby masina na toby, eo amin' ny kristianisma malagasy, dia toerana (tanàna na ampahan-tanàna) manokana iasan' ny fifohazana andavanandro ka andraisana ny olona mila fampaherezana maharitra sy ny marary ara-batana na ara-panahy mila fanasitranana mahagaga, amin' ny alalan' ny fitoriana ny anaran' i Jesoa na Jesosy, ny vavaka, ny fametrahan-tanana ary ny fandroahana demonia. Ny mpiandry no misahana izany rehetra izany, dia ireo olona nahazo fampianarana manokana sy nohosorana ho amin' izany asa izany. Tsy ny vatana sy ny fanahy ihany no karakaraina ao fa lafiny ara-tsôsialy hafa koa toy ny fanampiana ny fianakaviana sahirana sy ny fanabeazana ny ankizy. Matetika dia misahana asa fambolena sy fiompiana ivelan' ny toby koa ny mponina ao amin' ny toby mba hahazoana ny fizakan-tena ara-tsakafo. Misy karazany ny toby arakaraka ny fananany na tsy fananana rantsana, ka ao ny tobilehibe ary ao ny zana-toby. Ny zana-toby dia tobim-pifohazana miankina amin' ny tobilehibe sady mandray ny fombany sy ny fampianarany, fa ny tobilehibe kosa dia tobim-pifohazana filamatra, manana ny fombany sy ny fampianarany ary manana zana-toby miankina aminy sady foiben-toeran' ny endrika isehoan' ny fifohazana tsirairay. Anisan' ny zana-tobin' i Manolotrony, ohatra, ny Toby Vatotsara ao Antsirabe, izay niorina vokatry ny fifohazam-panahin-dRajaofera Daniel.

Efatra ny tobilehine malaza eto Madagasikara, dia ny Tobilehibe Soatanàna, ny Tobilehibe Manolotrony, ny Tobilehibe Farihimena ary ny Tobilehibe Ankaramalaza, izay samy manana ny zana-tobiny avy. Ireo tobilehibe voatanisa ireo dia miankina amin' ny iray amin' ny fiangonana ao amin' ny Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara - FFPM).

Jereo koa hanova