Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara

Ny Fiombonan' ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara (FFPM) dia fikambanan' ireo fiangonana prôtestanta roa lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, dia ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Izany fiombonana izany dia tanterahina amin' ny fiaraha-mivavaka amin' ny fotoana sasany sy fananganana sehatra na fotodrafitrasa iraisana toy ny sekoly. Samy mampiasa ny Baiboly prôtestanta ireo Fiangonana ireo ary iombonany koa ny fampiasana ny boky fihirana sy ny tiona FFPM. Samy manaraka ny ankabeazan' ny teôlôjia prôtestanta izay niteraka sady vokatry ny Reformasiona izy ireo nefa ny FLM manaraka indrindra ny an' i Martin Lotera fa ny FJKM manaraka kokoa ny an' i Jean Calvin. Ireo fiangonana roa ireo no manana tantara tranainy indrindra amin' ny Fiangonana kristiana rehetra eto Madagasikara.

Atao hoe "Fédération des Eglises Protestantes à Madagascar" ny FFPM amin' ny teny frantsay ary "Federation of the Protestante Churchs in Madagascar" amin' ny teny anglisy[1]. Efa tany amin' ny taona 1913 no niforonan' io fiombonana io. Tsy ny fiangonana atao hoe "prôtestanta" (na milaza tena hoe "prôtestanta") rehetra anefa no miombona ao amin' ny FFPM. Ny Eklesia Episkopaly Malagasy (na Aglikana) dia tsy isan' ny FFPM. Tsy ireo ao amin' ny FFPM ireo ihany koa anefa no fiangonana prôtestanta eto Madagasikara.

Ireo fiangonana mpiombona hanova

Roa ny fiangonana miombona ao amin'ny FFPM, dia ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM).

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara hanova

Ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara dia fiangonana kristiana prôtestanta vokatry ny fitambaran' ny fiangonana telo naorin' ny London Missionary Society (LMS) sy ny Société des Missions Evangeliques de Paris (SMEP) ary ny Frends Foreign Missionary Association (FFMA) tamin' ny taona 18 Aogositra 1968.

Mitsinjara anatin' ny sinôdam-paritany miisa 37 sy sinôda iraisam-pirenena iray ny FJKM[2]. Araka ny tatitry ny World Council of Churches tamin' ny taona 2016 kosa dia miisa 3 500 000 any ho any ny mpino ao aminy[3] [4].

Ny Fiangonana Loterana Malagasy hanova

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia fiangonana kristiana prôtestanta eto Madagasikara izay nateraky ny fitambaran' ireo Fikambanana misiônera loterana tamin' ny taona 1950 niasa teto Madagasikara, dia ny Norwegian Missionary Society (NMS) sy ny American Lutheran Church (ALC) ary ny Lutheran Board of Mission (LBM) nanomboka ny taona 1888.

Niisa 3 000 000 any ho any ny mpino loterana eto Madagasikara tamin' ny taona 2020 araka ny ny Lutheran World Federation[5] sy ny ny World Council of Churches [6]. Misy synodam-paritany miisa 25 ny FLM ka ny iray any Eorôpa.

Fanatanterahana ny fiombonana hanova

Rafitra hanova

Manana ny lalàm-panorenany manokana sy ny fitsipi-piaraha-miasany ny FFPM. Manana birao ahitana filoha iray, filoha mpanampy iray, sekretera jeneraly iray, mpandraharaha iray, mpitahiry vola iray, mpanolotsaina dimy koa izy[7].

Fiombonam-pinoana hanova

Ho fanehoana sy fanatanterahana izany fiombonana izany dia eken' ny fiangonana ao amin' ny FFPM ny mpandray ny fanasan' ny Tompo avy amin' ny fiangonana hafa miombona ao amin' ny FFPM. Toy izany koa ny amin' ny mpanao raharaham-piangonana[8]. Miray ara-pinoana ireo fiangonana miombona ao amin' ny FFPM amin' ny alalan' ny fanekeny ny Baiboly prôtestanta ho tenin' Andriamanitra, ny sakramentan' ny Batisa sy ny sakramentan' ny Fanasan' ny Tompo, ireo fanekem-pinoana telo (apôstôlika sy nikeana ary atanaziana), ny Vavaka nampianarin' ny Tompo, ary ny fihirana FFPM[1].

Fiombonana miseho amin' ny asa hanova

Izany fiombonana izany dia miseho ihany koa amin' ny alalan' ny fisahanana "asa iombonana" dia ny "vondron-tsampana" sy ny "vondronasa" ary ny "vondron-tsampanasa".

Vondron-tsampana hanova

Ireto avy ny vondron-tsampana hita ao izay mifanandrify amin'ny sampana velona ao amin' ny fiangonana mpikambana[9]:

  • ny Fifohazana FFPM,
  • ny Farimbonasan' ny Lehilahy Protestanta,
  • ny Farimbonasan' ny Vehivavy Protestanta,
  • ny Farimbonasan' ny Tanora Protestanta,
  • ny Farimbonasan' ny Skoto Protestanta,
  • ny Farimbonasan' ny Sekoly Alahady Protestanta,
  • ny Fiombonan' ny Vokovokomanga Protestanta.

Vondronasa hanova

Ireto ny vondronasa izay mahakasika ny lafiny fitaizàm-panahy sy ny sôsialy sy ny toekarena ary ny fanabeazana:

  • ny Vondronasan' ny Fampandrosoana Protestanta,
  • ny Vondronasan' ny Fifandraisana Protestanta,
  • ny Vondronasa Fitoriana ny Filazantsara Protestanta.

Vondron-tsampanasa hanova

Ireto kosa ny vondron-tsampanasa:

  • ny Vondron-tsampanasa momba ny Fanabeazana,
  • ny Vondron-tsampanasa momba ny Fanasoavana Protestanta,
  • ny Vondron-tsampanasa momba ny Fitaizam-panahy Protestanta,
  • ny Vondron-tsampanasa momba ny Fanolokoloana Protestanta,
  • ny Vondron-tsampanasa momba ny Famokarana.

Fifandraisana amin' ny fiangonana hafa hanova

Eto Madagasikara hanova

Mifandray amin' ny fiangonana kristiana roa hafa eto Madagasikara amin' ny alalan' ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ny FFPM, dia ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) sy ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina (EKAR) izany.

Maneran-tany hanova

Ny FFPM dia mifandray koa amin' ny fiombonam-piangonana iraisam-pirenena toy ny Conseil Œcuménique des Eglises (anglisy: World Council of Churches) sy ny Fédération Luthérienne Mondiale (anglisy: Lutheran World Federation) sy ny Alliance Réformée Mondiale (anglisy: World Alliance of Reformed Churches) ary ny Conférence des Eglises de Toute l'Afrique (anglisy: All Africa Conference of Churches)[10].

Boky sy tranonkala azo anovozan-kevitra hanova

  • Raminosoa Marcel (Mpandrindra), Inona moa ny FFPM ?, Antananarivo, 2003, 44p.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. 1,0 et 1,1 Inona moa ny FFPM ?, p.33.
  2. "Profile of FJKM"
  3. "Church of Jesus Christ in Madagascar (FJKM)" [tahiry], oikoumene.org
  4. Council for World Mission: The Church of Jesus Christ in Madagascar [tahiry].
  5. "Malagasy Lutheran Church", The lutheran world federation Archived Martsa 3, 2020 at the Wayback Machine
  6. "Malagasy Lotheran Chuhrch", World Council of Churches
  7. Inona moa ny FFPM ?, p. 5.
  8. Inona moa ny FFPM ?, p. 28.
  9. Inona moa ny FFPM ?, pp.36-37.
  10. Inona moa ny FFPM ?, p.39.