Fahasitranana mahagaga

Ny fanasitranana mahagaga na fanasitranana amin' ny alan' ny finoana dia fanasitranana na fahasitranana izay tanteraka amin' ny alalan' ny vavaka sy ny fihetsika (toy ny fametrahan-tanana) izay inoana ho vokatry ny fidirana an-tsehatry ny asan' Andriamanitra (na fanahy hafa) amin' ny fahasalamana ara-batana sy ara-panahin' ny olona. Betsaka ny fomba ahazoana ny fanasitranana mahagaga, ka isan' izany ny vavaka, ny fitsidihana ny toerana masina, na ny halehiben' ny finoana. Maro ireo aretina izay lazaina fa afaka noho ny fanasitranana mahagaga, isan' izany ny fahajambana, ny faharenina, ny homamiadana, ny tsy fitomboana ara-dalàna, ny tsy fahampian' ny sela mena ao amin' ny ra, ny aretin' ny vanin-taolana, ny tsy fahaiza-miresaka, ny fahafatesan' ny selan-koditra, ny fahalemen' ny rantsam-batana, ny aretin-koditra, ny ratra isan-karazany. Saika ny mpahay siansa sy ny filôzôfa rehetra anefa no mandà ny fahamarinan' ny fanasitranana mahagaga.

Jereo koa hanova