Tobilehibe Ankaramalaza

Ny Tobilehibe Ankaramalaza dia tobim-pifohazana eto Madagasikara, niorina ao Ankaramalaza vokatry ny fiovan' i Volahavana Germaine ho kristiana. Miankina amin' ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) ity toby ity. Isaky ny 2 Aogositra no anaovana fankalazana ny tsingerin-taonany. Amin' ny maha tobilehibe azy dia maro ny toby miankina aminy manerana an' i Madagasikara. Izy no foiben' ny fifohazana Ankaramalaza.

Ny mpanorina hanova

I Volahavana Germaine, izay atao hoe Mama Nenilava, no nanorina ny tobilehibe Ankaramalaza. Notezaina tao amin' ny fianakaviana mpandala ny fivavahan-drazana i Volahavana. Rehefa feno folo taona izy dia nanonofy matetika an' i Jesosy niakanjo fotsy nitondra azy tao amin' ny tranovato lehibe iray sady nanasa ny tongony. Nanonofy matetika koa izy fa nakarina any an-danitra.

Tamin' ny faha-17 taonany izy dia nanambady katekista izay efa 60 taona sady efa nanan-janaka. Natao batisa i Volahavana. Tsy niteraka Volahavana ka nanangan-jaza ho zanany. Nifindra tany Ankaramalaza izy mivady.

Nandroaka fanahy ratsy tamin' ny iray amin' ny zanakavavim-badiny izy ka sitrana ilay zazavavy tamin' ny Alarobia 1 Aogositra 1941. Nitondra an' i Nenilava any an-danitra impito i Jesosy tao anatin' ny telo andro. Nilaza no niady tamin' ny dragona mandritra ny telo andro koa i Nenilava.

Namangy fiangonana amin' ny faritra samihafa eto Madagasikra sy tany ivelany i Nenilava. Nonina tao Antananarivo izy nanomboka tamin' ny taona 1969 ka hatramin' ny 1997. Tao amin' ny tobin' Ambohibao ao Antananarivo no nandaniany ny androny sisa. Maty tamin' ny taona 1998 tao izy ary nalevina tany Ankaramalaza.

Ny toerana misy ny toby hanova

Ao Ankaramalaza no miorina ilay tobilehibe. Ankaramalaza ankehitriny dia tanàna ao amin' ny kaomininan' i Lokomby, distrikan' i Manakara, ao amin' ny faritra Fitovinany, faritanin' i Fianarantsoa. Lalana mirefy 45 km no azo aleha mankany Ankaramalaza, avy eo dia lakana no iampitana ny renirano.

Jereo koa hanova