Fiteny latina

(tonga teto avy amin'ny Teny latina)
fiteny latina
lingua latina

Isan'ny mpiteny tsy misy intsony: ny tney latina ankehitriny malaza dia ny fiteny italianina, espaniola, frantsay ary portogey
Faritany Flag of the Holy See.svg Vatikana, Eoropa Atsimo ary Andrefana
Sata teny ofisialy ao Vatikana


Ny fiteny latina (amin'ny teny latina lingua latīna) dia fiteny taloha notenenin'ny mponina tao amin'ny faritr'i Latioma, eo amin'ny misy an'i Roma ankehitriny. Io fiteny io dia avy amin'ny fiteny indo-eoropeana voalohany tahaka ny ankabeazan'ny fiteny notenenina tao Eorôpa. Ny fiteny latina dia avy ao amin'ny saikanosy italianina. Na dia lazaina fa fiteny maty aza io fiteny io, ny fiteny rômana izay mbola ampiasaina ankehitriny (frantsay, espaniola, italiana, romaniana) dia endrika nivoatra avy amin'io fiteny io. Na dia fiteny maty aza izy io, betsaka ireo olona mahafehy azy, mianatra azy ary mampianatra azy eran'izao tontolo izao.

Mbola ampiasain'ny fiteny ankehitriny amin'ny famoronana voambolana vaovao ny fiteny latina, ary mbola ampiasaina amin'ny fanomezana anarana siantifika ny zava-miaina.

Noho ny herin'ny tafika romana tamin'ny fotoan'androny ary noho ny fahefana omen'ny fifehezana ny fiteny latina, dia niparitaka eran'i Mediteranea ny fiteny latina, izay nipoiran'ny fitenim-paritra nanome ireo fiteny rômana ankehitriny.

Taorian'ny fanjavonan'ny Empira rômana tamin'ny taonjato fahadimy dia nihavitsy hatrany ny isan'ireo olona nahay ny fiteny latina, ary noho ny havitsian'ny fampianarana dia feno teny avy amin'ny fiteny jermanika sy rômana tamin'izany fotoana izany ny fiteny latina nampiasaina tamin'ny Andro Antenantenany.

Tamin'ny taonjato faha-15 hatramin'ny taonjato faha-18 dia nesorin'ireo mpanoratra latina eoropeanina ireo teny avy amin'ny teny jermanika sy ireo teny avy amin'ny fiteny rômana. Nandritry ny taonjato telo dia nampiasaina ho fiteny iraisam-pirenena sy fiteny iofanana ary fiteny ampiasain'ny siansa ny fiteny latina.

FanasokajianaHanova

Ny fiteny latina dia avy amin'ny teny indô-eoropeana, na dia misy tsy manaiky io hevitra io aza ny mpandalim-piteny.

Fiparitahana ara-toeranaHanova

Teny ofisialin'ny Fiangonana Katolika ny fiteny latina. Ny fiteny frantsay no tenin'ny diplômasia any Vatikàna, fa ny fiteny italiana no tena apiasaina any amin'ny firenena vatikanina.

Teny voasintonaHanova

Ny fiteny rômana (toy ny fiteny espaniola, ny fiten'Ôily, ny fiteny frantsay, ny fiteny italiana, ny fitenin'Ôka, ny fiteny katalàna, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny romantsa ary ny fiteny romaniana) dia nivoatra avy amin'ny fiteny latina.

Karazana fandravonana ireo fiteny rômana ireo ny interlingua, izay afaka azon'ny olona 900 tapitrisa (tontalin'ny mpiteny rômana) avy hatrany.

FanoratanaHanova

Ny Rômana no namorona ny abidy latina. Ireto ireo ny litera ao amin'ny abidy latina:

A B C D E F G H I K L M N O P Q(V) R S T V X Y Z
a b c d e f g h i k l m n o p q(u) r s t u x y z
a b k d e f g h i na j k l m n o p r s t u na w [ks] y [zz]