Salvadôro

(tonga teto avy amin'ny Salvador)

I Salvadôro dia firenena madinika ao Amerika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika sady ny hany firenena any Amerika Afovoany tsy manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Hôndorasy no ao atsimo-andrefany ary i Goatemala no ao atsimo-atsinanany. Manana velaran-tany mirefy 20 742 km2 sy mponina miisa 6 328 196 ity firenena ity tamin' ny taona 2014. Noho izany dia izy no manana hakitroky ny mponina ambony indrindra eran' i Amerika (eo ho eo amin' ny mponina 320 isaky ny km²). Katôlika ny ankamaroan' ny mponina any Salvadôro. I Es Salvador no renivohiny ary i Santa Ana sy i San Miguel no tanàna lehibe ao.

Sanan' i Salvadoro
Ny toerana misy an' i Salvadôra eto amin' izao tontolo izao.
Sarin-tain' i Salvadôro

Ny vohon-tanin' i Salvadôro dia ahitana lembalemba iva afovoany, zarazarain' ny lohasahan' ony sady iparitahana volkano maro. Ny faritra avo indrindra ao amin' ilay firenena dia any avaratra, ary ny tangoron-tendrombohitr' i Monte Cristo no ahitana ny tampona avo indrindra izay mahatratra 2 418 m. Nisy horohoron-tany mahery vaika namely ilay firenena tamin' ny taona 2001.

Miankina amin' ny vidin' ny kafe ao amin' ny tsena iraisam-pirenena ny toekaren' i Salvadôro: io no isan' ny vokatra fanondranana lehibe indrindra, miaraka amin' ny landihazo sy siramamy.

Nahaleo tena i Salvadôro nanomboka tamin' ny taona 1821

Jereo koa

hanova