Saikanosin' i Malezia

Ny Saikanosin' i Malezia na Saikanosy Maley na Saikanosy Malay na Saikanosin' i Malacca na Saikanosin' i Malakka dia saikanosy ao Azia Atsimo-Atsinanana izay manomboka ao amin' ny andilan-tanin' i Kra any Tailandy harany amin' ny andilan-dranomasin' i Johore. Ny tapany avaratra amin' io saikanosy io dia manasaraka ny ranomasin' i Andamàna amin' ny helodranon' i Tailandy, ary ny tapany atsimo dia manasaraka ny andilan-dranomasin' i Malacca amin' ny Ranomasin' i Sina atsimo.

Ny toerana misy ny Saikanosy Maley ao Azia Atsimo-Atsinanana

Voazara amin' ny fanjakana efatra ny Saikanosy Maley: ny tapany atsimon' i Birmania, izay ao amin' ny tapany andrefana amin' ny faritra avaratry ilay saikinosy, ny tapany atsimo amin' i Tailandy (ny afovoany), ampahany amin' i Malezia (ny tapany atsimo), ary ny tanànan' i Singaporo.