Tetiandro mozilmana

(tonga teto avy amin'ny Kalandrie arabo)

Ny tetiandro mozilmana na tetiandro silamo dia tetiandro ampiasain' ny fivavahana silamo ka ny iray volana ao aminy, izay mitovy amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana manodidina ny Tany, dia misy 29 na 30 andro ary ny iray taona misy 354 na 355 andro. Tetiandro manara-bolana tanteraka ny tetiandro mozilmana. Ny fanombohan' ny volana tsirairay dia mifanandrify amin' ny fotoan' ny tsinam-bolana hitan' ny maso. Ampiasaina indrindra amin' ny fankalazana fety amin' ny fivavahana silamo ny tetiandro mozilmana. Tsy misy ny fampifanandrifiana ny taona silamo amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro na amin' ny fizaràn-taona; noho izany dia tsy misy koa ny volana fanampiny (volana faha-13), tsy tahaka ny ao amin' ny tetiandro manara-bolana sy masoandro toy ny tetiandro hebreo.

Ny taona 1 amin' ny tetiandro mozilmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. amin' ny tetiandro gregôriana ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin' ny 15 na 16 Jolay tamin' io taona 622 io. Andro voalohany amin' ny volana Muharram izany. Io no andro voalohany tamin' ny fifindrà-monin' ny mpaminany Mohamady sy ireo mpanaraka azy avy ao Maka hankany Iatriba (tanàna fantatra amin' ny anarana hoe Madîna amin' izao fotoana izao). Izany fifindrà-monina izany no atao hoe Hiǧrah (هجرة) amin' ny teny arabo. Folo taona taorian' io andro io no nampiasana ny tetiandro mozilmana. Atao hoe التقويم الهجري‎ / at-taqwīm al-hijrī io tetiandro io amin' ny teny arabo.

Ny andro sy ny volana hanova

Ny volana hanova

Ny fijerena ny fahatsinanan' ny Volana no ahafantarana ny fiantombohan' ny volana ao amin' ny tetiandro mozilmana fa tsy ny kajy ara-kaikintana. Ny tsinam-bolana, ohatra, mety ho hita any Rabat (renivohitr' i Marôka) nefa tsy hita any Riyad (renivohitr' i Arabia Saodita.) amin' ny fotoana mitovy. Miteraka tsy fitovian' ny andro anombohan' ny volana izany arakaraka ny faritra na ny firenena. Noho izany dia mety hisy fahasamihafana iray na roa andro ny fiantombohan' ny volana ao amin' ny tany silamo.

Ireto avy ny anaram-bolana ao amin' ny tetiandro mozilmana:

Ny fanombohan' ny volana tsirairay dia mifanandrify amin' ny fotoan' ny tsinam-bolana hitan' ny maso.

Ny andro hanova

Ireto ny anaran' ny andro ao amin' ny tetiandro mozilmana (anaran' andro arabo):

Andro Alahady Alatsinainy Talata Alarobia Alakamisy Zoma Asabotsy
Anarany (Yawm) al-Aḥad (Yawm) al-Ithnayn (Yawm) ath-Thulāthā’ (Yawm) al-Arba‘ā’ (Yawm) al-Khamīs (Yawm) al-Jum‘ah (Yawm) as-Sabt
Arabo الأحد الإثنين الثلاثاء الأربعاء الخميس الجمعة السبت
Dikany Andro voalohany Andro faha-2 Andro faha-3 Andro fah-4 Andro faha-5 Andro fivoriana Andro fitsaharana

Fifandraisan' ny taona silamo sy ny taona gregôriana hanova

Fohy kokoa noho ny taona gregôriana na joliana ny taona mozilmana ka 11 andro ny elanelan' izy ireo. Ny taona 1 amin' ny tetiandro mozilmana dia mifanandrify amin' ny taona 622 taor. J.K. ary ny andro voalohany dia mifanandrify amin' ny 15 na 16 Jolay tamin'io taona 622 io. Inty ny raikipohy azo ampifandraisana ny taona mozilmana (m) sy ny taona gregôriana (g):

  • m(g) = (g − 621,5709) × 1,0306888.
  • g(m) = (m + 640,64616504) : 1,0306888.

Ny isa 1,0306888 dia tahan' ny halavan' ny taona manara-masoandro amin' ny halavan' ny taona manara-bolana. Ohatra, ny taona 2024 gregôriana dia taona 1445 na 1446 (1445,47) amin' ny tetiandro mozilmana.

Jereo koa hanova