Bakôngô (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Kôngô (vahoaka))

Ny Bakôngô na Kôngô dia vahoaka banto ao Afrika Afovoany, izay mahatratra any amin' ny 17 tapitrisa, ka ireto avy ny faritra ahitana azy ireo:

  • ao amin' ny tapany atsimon' i Gabôna (faritanin' i Ngounié sy Nyanga, ahitana ny foko Pono sy Lombo ary Vongo) izay tao anatin' ny Fanjakan' i Lôangô taloha;
  • ao amin' ny tapany atsimon' ny Repoblikan' i Kôngô (faritr' i Pool na Mpumbu, faritr' i Buenza, faritr' i Niari, faritr' i Lekumu, ary ny faritr' i Kwilu);
  • ao amin 'ny tapany avarar' i Angôla (faritanin' i Uíge, faritanin' i Cabinda, faritanin' i Zaire na Nzadi;
  • ao amin' ny faritanin' i Kongo Central ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô) sy ny ireo foko (toy ny Iaka, ny Mbala, sns) tao amin' ny Empiran' i Kôngô izay ao amin' ny faritanin' i Kwango sy Kwilu.
Herbert Ward, Vehivavy kôngô na Vehivavin' i Afrika Afovoany (1910)
Lehilahy kôngô

Ireto no anarana mety hiantsoana azy ireo arakaraka ny tahirin-kevitra vakina: Bacongo, Badondo, Bakango, Ba-Kongo, Bisi Kongo, Besi Kongo, Bakongo, Bandibu, Bashikongo, Cabinda, Congo, Congos, Fjort, Frote, Kakongo, Kikongo, Kongos, Koongo, Nkongo, Wakongo, Wacongomani.

Miteny amin' ny fiteny kikôngô isan-karazany izy ireo, nefa ireo Bakôngô ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy ireo izay nitsoa-ponenana any Angôla dia mampiasa ny fiteny lingala.

Jereo koa hanova