Ny Gangela na Ngangela (Ganguela, Nganguela) dia vondrom-poko kely monina any Angôla, saingy hatramin' ny andron' ny fanjanahantany dia efa nampiharina tamin' ny vodrona hafa maromaro tany atsinanan' ny Plateau Bié ny anaran' ity vondrom-poko ity. Ankoatry ny Ngangela, ity sokajy ara-poko ity dia ahitana koa ny Loena (Lwena na Luena), ny Lovale (Luvale), ny Mbonda (Mbunda), ny Loimby (Lwimbi), ny Kamatsy (Camachi) ary ny hafa.

Ny vondrom-poko ao Angôla

Ireo vahoaka rehetra ireo dia mivelona amin' ny fambolena sy amin' ny fiompiana biby madinika, ary amin' ny fanangonana voankazo sy tantely ary zava-pihinana hafa. Samy manana ny fiteniny ny vondrona tsirairay na dia misy ifandraisany aza izy ireo. Samy manana ny maha-izy ny fiarahamoniny manokana ihany koa ny vondrona tsirairay; tsy misy ny lamina ara-piarahamonina mahafaoka azy rehetra, hany ka tsy azo lazaina ho vondrom-poko iray mizara ho zana-bondrona izy ireo.

Ny vahoaka antsoina hoe "Gangela" dia fantatra ny Pôrtogey nanomboka tamin' ny taonjato faha-17, fony izy ireo nandray anjara tamin' ny raharaham-barotra novolavolain' ireo Pôtogey mpanjanaka tonga voalohany tao Luanda sy tao Benguela izay nisy tamin' izany fotoana izany. Amin' ny lafiny iray, maro amin' ny andevo novidin' ny Pôrtogey tamin' ny mpanelanelana afrikana no avy amin' ireo mponina ireo. Etsy an-daniny, tamin' ny taonjato faha-19 sy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, ny vahoaka "Ganguela" dia nanome savoka, tantely, ivoara ary zavatra hafa ho an' ny varotra taterin' andiam-biby nokarakarain' ny Ôvimbondo ho an' ny Pôrtogey tao Benguela.

Taorian' ny firodanan' ny varotra taterin' andiam-biby (raha ny marina hatramin'ny faran' ny fanjanahantany), ny Gangela dia efa ela no tsy nahaliana ny Pôrtogey. Izany no nahatonga azy ireo tara loatra niharan' ny fibodoan' ny fanjanahantany (ankoatra ny Mbonda) izay tsy dia nisy fanoherana mafy akory.

Nandritra ireo am-polony taona vitsivitsy teo ambany fitondran’ ny mpanjanaka dia tsy niova firy ny fomba fiainan’ izy ireo raha ampitahaina amin’ ny ankamaroan’ ny faritra hafa ao Angôla. Amin' ny ankapobeny dia sady tsy niharan' ny asan' ny misiônera firy izy ireo, na niharan' ny hetra mavesatra na fandraisana ho mpikarama. Ny hany asa fihariana lehibe novolavolain' ny Pôrtogey tao amin’ ny faritra misy azy ireo dia ny famokarana hazo, ho an’ ny orinasa any Angôla na any Pôrtogaly.

Nandritra ny ady amin' ny fanjanahantany, (taona 1961–1974), sy indrindra nandritra ny ady an-trano tao Angôla, ny sasany tamin' ireo vondrona ireo dia nianjadian' izany, na dia voafetra ihany aza ny fandraisany anjara. Vokatr' izany dia maro amin' izy ireo no nialokaloka tao Zambia sy tao Namibia (vitsy kokoa). Efa ho ny antsasaky ny Mbonda no nanorim-ponenana any amin' ny tapany andrefana amin' i Zambia, saingy mitazona ny firaisankinany amin' ny ankapobeny amin' ny alalan' ny fahefana nentim-paharazana ao Angôla sy ao Zambia ity vahoaka ity.

Jereo koa hanova