Ny Nianeka na Nianeka-Hombe na Nianeka-Homby dia vondrom-poko banto maromaro mpamboly sy mpiompy andiam-biby any atsimo-andrefana amin' i Angôla, izay miteny nianeka. Atao hoe Nhaneca-Humbe izy ireo amin' ny teny pôrtogey.

Monina ao amin' ny faritanin' i Huíla ny ankamaroan' izy ireo, ary amin' ny ampahany kely ao Cunene sy ao Namibe. Ireo foko ireo dia manambatra ny fiompiana omby amin' ny fambolena izay mikendry kokoa ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa tsy ho an' ny varotra. Ny foko tsirairay (moila, handa, kombe, sns.) dia samy manana ny maha-izy azy ara-tsôsialy sy ny toetrany ara-kolontsaina sy ara-piteny, ary tsy heverina ho misy fiombonana feno.

Ny ankamaroan' ny Nianeka-hombe dia nanaraka ny kristianisma, indrindra ny katôlisisma, nandritra ny fanjanahantany. Mandroso miadana ny fidirana an-tsekoly ary mbola eo ambanin' ny salanisam-pirenena. Ny ampahany lehibe dia nandeha niorim-ponenana any amin' ny tanàn-dehibe ka nandao tanteraka na amin' ny ampahany ny fomba fiainana nentim-paharazana.

Jereo koa hanova