Ksindônga (vahoaka)

Ny Ksindônga (Xindonga) dia vondrom-poko madinika efatra any amin' ny faritra farany atsimo-atsinanana amin' i Angôla: ny Kosô (Cusso na Mbukushu), ny Dilikô (Dilico na Dirico), ny Sambiô (Sambio) ary ny Maksikô (Maxico). Ny teny hoe Xindonga dia teny noforonina ho mari-pamantarana iombonana ho an' ireo vondrona efatra ireo.

Ireo vahoaka ireo dia mipetraka ao amin' io faritra atsimo-atsinanana amin' i Angôla io, izay Faritanin' i Cuando Cubango ankehitriny, miaraka amin' ny vondrona kely hafa, anisan' ny Ôvambô, ny Gangela ary ny Sana. Ny mponina "Ksindonga" dia mivelona amin' ny fambolena sy ny fiompiana biby madinika ary ny fihazana na ny fanjonoana tsindraindray.

Jereo koa hanova