Ny Londa na Balonda dia vahoaka banto ao Afrika Afovoany sy Atsimo, izay monina ao amin' ny tapany atsimon' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (ao Lualaba, Kasai-Central, Kwango, Kwilu) sy ao amin' ny tapany avaratr' i Zambia ary ao amin' ny tapany atsinanan' i Angôla.

Lehilahy londa

Raha amin' ny lafiny ara-kolontsaina sy ara-piteny dia manakaiky ny Loba izay vahoaka mpifanila vodirindrina aminy, izay manana fifamatorana ara-tantara aminy, izy ireo.

Arakaraka ny tahirin-kevitra dia mety ho soratana hoe Alunda, Alund, Aluunda, Aluund, Arunda, Arunde, Arund, Aruund, Balonde, Balounda, Balunda, Kalunda, Lounda, Loundas, Lownda, Luntu, Luunda, Mahundo, Noembo, Ruund, Valunda ny anaran' izy ireo.

Miteny amin' ny karazana fiteny banto ny Londa, dia ny fiteny londa na silonda izany, izay ampiasain' ny olona miisa 450 000 any ho any tamin' ny taona 2001 (ao Kôngô), mitovitovy amin' io ihany any Zambia, ary 178 000 any Angôla.

Jereo koa hanova