Ny Ambondo na Mbondo dia vahoaka banto amin' ny faritra atsimo ao Afrika izay monina ao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Angôla. Maro anisa izy ireo ao amin' ny faritr' i Luanda renivohitr' i Angôla. Atao hoe Mbondo Tavaratra izy ireo mba hiavahany amin' ireo Mbondo Tatsimo na Ôvimbondo. Ireo ny anarana mety hiantsoana azy ireo arakaraka ny tahirin-kevitra atao loharano: Ambundu, Ambuun, Bailundo, Bailundu, Bambundu, Benguella, Bimbundu, Bmoundou, Dongo, Kimboundou, Kimbundu, Kyaka, Mambari, Mbundus, Mbuni, Nano, N'bundo, Nbundu, Ndongo, Ngola, Oumbundou, Umbundu, Ovimbali, Ovimboundou, Ovimbundu, Vakuanano, Viye.

Sarintany maneho ny faritra misy ny foko ao Angôla: miloko mavo ny faritra misy ny Ambondo (Kibondo)

Ny fiteny kimbondo, izay fiteny banto, no fitenin' izy ireo, izay tenenin' ny olona miisa roa tapitrisa tamin' ny taona 2014.

Jereo koa hanova