Simôna Bar Kôkba
I Simôna Bar Kôkba dia lehilahy mpitarika ny fikomian' ny Jiosy na Jody tamin' ny Rômana teo anelanelan' ny taona 132 sy 135.

Ny anarany Hanova
Amin' ny teny arameana ny anarany dia atao hoe שמעון בר כוכבא / Shimon bar Kokhba izay midika hoe "Simôna zanaky ny kintana".
Tantarany Hanova
Tamin' izany fotona izany dia niezaka hampanjaka ny kolontsana rômana tao Jodea na Jodia ny emperora Hadriano (latina: Publius Aelius Hadrianus Augustus) ka tsy namela ny Jiosy hiditra ao Jerosalema afa-tsy andro iray isan-taona, ary nandrara azy ireo tsy hanao famorana. Raikitra noho izany ny fikomian' ny Jiosy. I Bar Kôkba no nitarika izany fikomiana izany, izay notohanan' ny iray amin' ny raby nankatoavin-teny indrindra tamin' izany, dia i Akiva ben Jôsefa, izay nanambara an' i Bar Kôkba ho Mesia (hebreo: מָשִׁיחַ / māshîaḥ) nalefan' Andriamanitra hamerina indray ny fanjakan' i Israely sy hanjaka amim-pahamarinana amin' ny olombelona rehetra.
Nanangona tafika lehibe i Bar Kokba, izay nahitana Jiosy avy ao Jodea sy avy amin' ny firenena hafa any Atsinanana. Nandresy ny tafika rômana i Bar Kokba sady naka an' i Jerosalema sy tanan-dehibe dimampolo eo ho eo ary tanàna madinika maro koa.
Nanangana tafika vaovao indray i Hadriano nefa mbola ravan' ny tafik' i Bar Kôkba izany. Noho izany dia niantso mpitari-tafika mahay i Hadriano, dia i Jolio Severo (latina: Sextus Julius Severus), izay niady nandritra ny andro maro ka nanapitra ny fikomiana jiosy tao amin' ny famaharana Betàra (hebreo: בֵּיתַּר / Bethar) ao akaikin' i Jerosalema izy tamin' ny volana Aogositra 135. Tamin' izany no nahafatesan' i Bar Kôkba.